Mois : février 2023

COP 27 : nahitam-pahombiazana ny fivoriana

Notontosaina ny talata 14 janoary 2023, teny amin’ny hotely Carlton, Anosy, ny atrikasa nampahafantarana ny varavarana misokatra maro isaky ny karazany avy, ho an’i Madagasikara, taorian’ny fivoriambe COP 27 notanterahina tany Egypta ny volana novambra 2022. Tanjona amin’izao atrikasa izao ny hifampizarana amin’ny mpiara-miombona antoka amin’ny fivoaran’ny fifampiraharahana natao nandritra […]

Fiatrehana fifidianana : tsy hanaiky intsony ny tsy fanarahan-dalàna ny Tim

“Hamafisinay hatrany fa tsy hanaiky intsony ny tsy fa­narahan-dalàna rehetra sy ny hala-bato ary ny famadihana ny safidim-bahoaka toy izay nisy teo aloha izahay. Tena vonona izahay hampiasa ny herinay rehetra hiarovana ny safidim-bahoaka ary hampanjaka ny ara-dalàna sy ny ara-drariny mandritra ny zotram-pifidianana.” Io ny nambaran’ ny sekretera jeneralin’ny […]

Ramamimampionona Gérard : “Jerena izay maharary ny vahoaka”

“Raha te hanao asa sosialy isika, tsy maintsy mijery izay maharary ny vahoaka. Any amin’ny kaominina, na fokontany, na kartie… Misy ny sa­kafo omena izao, fa tsy azo atao ary tsy ho vita ny hizara sakafo mandavantaona”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, momba ny fanaovan’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka. […]

Datim-pifidianana : tsy manitsaka lalàmpanorenana ny Ceni

“Misy tokoa ny fanamarihan’ny olona ny amin’ny hoe manitsaka lalàmpanorenana ny Ceni, raha 9 novambra no hanaovana fifidianana fihodinana voalohany. Mihevitra ny Ceni fa tsy manitsaka lalàmpanorenana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny datim-pifidianana. Raha ny lalàmpanorenana, 19 novambra hatramin’ny 19 desambra no tokony hanaovana fifidianana fihodinana […]

Herisetra amin’ny ankizy : mpifankatia naiditra am-ponja

Mampivarahantsona! Izay no azo ilazana ny fihetsika nasehon’ireto mpifankatia nahavita heloka mamoafady tamin’ny ankizivavy 16 taona manana fahasembanana tao Sainte Marie. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny kaomisarian’i Sainte Marie, manan-janaka vavy 16 taona sembana ara-batana sy ara-tsaina ny renim-pianakaviana iray. Tsy nokarakarainy mihitsy anefa ity zanany ity fa navelany […]