Mbetika hisy, mbetika tsy hisy…mipoitra indray ny resaka fanovana governemanta sy ny governora. Nahoraka hatry ny omaly, fa kihon-dalana tsy azo ihodivirana ny fanesorana sy ny fametrahana ekipa vaovao hiara-miasa amin’ny kaomandà mpibaiko ny lamasinina. Maro amin’ny ekipa no tsy maharaka tsotra izao ny hafangainam-pandeha. Betsaka ny tsy mahari-pery ka […]
Mois : février 2023
Voahangy Rajaonarimampianina : voaheloka herintaona an-tranomaizina
Miitatra ilay « Raharaha Rolly Mercia » ! Niampy 30 volana an-tranomaizina ny saziny. Nomelohin’ny fitsarana, higadra herintaona sazy mihantona kosa Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina. Migadra 30 volana, sazy mihatra miampy lamandy 2 000 000 Ariary ny minisitry ny Serasera teo aloha, Rahajason Harry Laurent na i Rolly Mercia. Izay ny didy navoakan’ny fitsarana omaly, tao […]
Ampahibe : mpangalatra moto saika niharan’ny fitsaram-bahoaka
Nifanenjehan’ny fokonolona, voasambotra ny lehilahy iray nangalatra moto tetsy Ampahibe, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nihevitra azy ho tsy nisy nahita, natosik’io mpangalatra io ny moto BWS. Nivoaka tampoka anefa ny tompony. Hatairana ny an’ity farany tsy nahita intsony ny moto teo amin’ny toerana nisy izany. Tetsy ankilany, niezaka namelona […]
Behenjy: mpangala-bilany nidoboka am-ponja
Efa nigadra enim-bolana, naiditra am-ponja vonjimaika indray ny lehilahy iray mpamaky trano voasambotry ny zandary tao Tsarafara Behenjy, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma 10 febroary teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, nalainy izay azo nobataina ka nifindra tamin’ny tokantrano iray hafa indray izy. Ren’ireo mpivady tao amin’ity trano faharoa […]
Ampasanimalo : lehilahy iray mpibata entana tratra nanendaka
Naiditra am-ponja omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanendahana olona eny amin’ny faritr’Ampasanimalo. Ny polisin’ny kaomisarian’Ambohijatovo (CSP2) no nahasambotra ity jiolahy ity teny Ampasanimalo. Tamin’io fotoana io, nisy nihoraka teo anelakela-trano Colisée Ampasanimalo fa nisy mpandalo voaendaka. Teo am-pitsoahana izy no nifanehatra tamin’ny […]




