Notanterahina ny farany herinandro lasa teo, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na «6 Nations», taranja rugby. Manjaka tanteraka ny Trèfles Irlandey, izy ireo hatrany no eo amin’ny laharana voalohany, ary manana isa 10. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, hihaona amin’ny ekipa italianina izy ireo, […]
Mois : février 2023
Judo-Tomakazu Iwahori: hitohy ny fifampizarana amin’ny mpikatroka malagasy
Tsara sitrapo japoney, nitondra anjara biriky teo amin’ny tontolon’ny Judo malagasy, nanomboka tamin’ny taona 2022, i Tomakazu Iwahori. Mbola hotohizany amin’ity taona 2023 ny fiaraha-miasa. Anisan’ny angady nananana tamin’ny vokatra tsara nentin’ireo judokas malagasy niatrika fifaninanana iraisam-pirenena tamin’iny taona 2022 iny, ny traikefa ara-teknika nomen’ny manam-pahaizana Tomakazu Iwahori. Niara-nisalahy tamin’ny […]
Herisetra : naratra ny lohany, folaka ny tanan’ilay ankizy novonoin-drenikeliny
Hatolotra ny fampanoavana ny renikely nahavita nanao herisetra tamin’ny zana-badiny. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Sambava, ny zoma teo, izy noho ny fandratrana sy famonoana ankizy. Ankizilahy 6 taona ity niharan’ny herisetra ity tao amin’ny fokontany Antsirabe Sambava. Nikiakiaka nitomany ilay ankizy rehefa novonoiny sy nodarohany tao an-trano. […]
Manakara : mpirahavavy maty tao an-davadrano
Nifamonjy rehefa nilatsaka tao anaty lavaka feno rano ny zazavavy roa tao Manakara, ny alahady maraina teo. Teo amin’ny toerana fisasan’ny olona izy mirahavavy izao tra-doza izao. Nisy vato malama mipetraka teo amoron’io lavadrano io. Nanitsaka izany ilay zandriny ka nilatsaka tao anaty lavaka. Niezaka namonjy ary nisintona ilay zandriny […]
Fanombohan’ny fiofanana : nanao dia an-tongotra niaraka ireo zandary USAD faha-29
Nanomboka omaly ny fiofanana ho an’ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra mandrafitra ireo hery manokana eo anivon’ny zandarimaria miady amin’ny asan-dahalo (USAD) andiany faha-29. Dia an-tongotra nampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy niarahan’izy ireo tamin’ny manamboninahitra ambony, ary manamboninahitra lefitra miasa ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (FIGN), notarihin’ny lefitra voalohan’ny kaomandin’ny FIGN, […]




