Mois : février 2023

Rajaonarimampianina Hery: nitafa tamin’ny mpanara-dia azy

Notanterahina ny alatsinainy 13 febroary 2023, teny amin’ny foibe toeran’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Ma­da­gasikara na HVM, eny Andraharo Antananarivo ny fihaonana teo amin’ny filoha mpanorina ny antoko sy ny mpanara-dia azy. Fotoana nanaovana ny tafatafa sy resadresaka taorian’ny fahatongavan’ity filoha teo aloha ity teto Madagasikara, ny asabotsy 11 […]

Fandriampahalemana : nahazo fitaovam-piadiana avy amin’ ny Tafika ny polisim-pirenena

Nisitraka fitaovam-piadiana ahafahany manamafy ny fandriampahalemana ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Notanterahina teny amin’ny Fip Antanimora, ny alakamisy 09 febroary 2023, ny fanaovan-tsonia teo amin’ny minisite­ran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) sy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Fanome­zana basy sy vanja avy amin’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena ny antony. Na­neho fisaorana manokana ho an’ny MDN, ny Jly Rakoto­nirina […]

Any Frantsa : azon’ny tanora alaina eny amin’ny farmasia ny fimailo

Nanomboka ny fiando­han’ny taona teo, afaka maka fimailo maimaimpoana eny amin’ny farmasia ny tanora latsaky ny 26 taona any Frantsa. Paikady noraisin’ny fanjakana frantsay hampidinana ny tahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST) tsy voaaro izany. «Nahatratra 2 tapitrisa sahady ny fitaovam-piarovana nozaraina», hoy ny minisitry ny Fahasalamana, François […]

St valentin : mivoatra manaraka ny toetrandro ny fanomezana

Fotoana iray hanamarihana ny andron’ny mpifankatia anio. Toy ny isan-taona, samy manao izay ho afany ireo mpivarotra misarika ny mpanjifa hividy fanomezana hatolotra ny olon-tiana. Mivoatra manaraka ny toetrandro ny karazana fanomezana atolotra. Mbola eo foana anefa ny voninkazo raozy izay atolotry ny lehilahy ny vehivavy matetika. Fa eo indrindra […]

Herinandron’ny mpifankatia: manavao ny fiainam-pitiavan’ny tanora ny FJKM

Anisan’ny manakorontana ny fiainan-tokantrano ny fanilihana sy tsy fiekena ny hadisoana. “Ny fahaizana mandini-tena sy mahay mandray andraikitra no vahaolana”, hoy ny mpitandrina Razafimanantsoa Heriliva. Fetin’ny mpifankatia! Ni­karakara hetsika vontom-pitia ho an’ny tanora sy ny mpivady ny kaomitin’ny fiainam-pianakaviana eo anivon’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, omaly. Tanterahina etsy Ana­lakely […]