Mois : février 2023

Tontolo iainana : voly hazo mila fanaraha-maso

Isan-taona, vondron’olona maro, fikambanana, sns, mandeha mamboly hazo, izay saika hatao mandritra ny fotoam-pahavaratra, eo anelanelan’ny volana novambra ka hatramin’ny marsa. Mazava ny tanjona, hamerina indray ny ala eto amin’ny Nosy, noho izany tsy tokony hazo « volivolena fotsiny amin’izao nefa tsy haniry ». Ny fambolen-kazo hatao hamerina ny zava-boahary indray, natao […]

Jono indostrialy: mihena ny vokatra an-dranomasina ankehitriny

Nanomboka tamin’ny 1967 ny jono indostrialy makamba teto Madagasikara, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka vahiny tany avaratra andrefan’ny Nosy. Aiza ho aiza ny valiny, 50 taona aty aoriana, nitondra vokatsoa ho an’i Madagasikara sa tsia ? Am-polo taona maro, tsy nitsahatra nivoatra ny jono indostrialy makamba teto Madagasikara, mbola niampy fiompiana tany […]

Chocolat : tsy ampy ny fitaovana famokarana eto an-toerana

Mbola misedra olana ny famokarana chocolat eto Madagasikara, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Edenia Rajerison Achille, raha nanontaniana, afakomaly. Nilaza izy fa tsy ampy ny fitaovana enti-mamokatra sy manodina ny chocolat. “Tsy maintsy manafatra sy mividy avy any ivelany”, hoy izy. Nambarany fa tsy ampy vola sy fitaovana enti-mamokatra koa […]

Afovoan-tany : maina ny andro anatin’ny hateloana

Ho maina ny toetry ny andro saika manerana ny Nosy ao anatin’ny hateloana ankoatra ny faritra Boeny sy Sofia ary ny toerana vitsivitsy amin’ny ilany andrefan’ny afovoan-tany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny sampana famantarana ny toetry ny andro. Hahazo orana tandrifin-drahona Analanjirofo. Manom­boka amin’ny alakamisy vao hahazo orana bebe […]