Vao tamin’ny 3 febroary lasa teo no nisy tovolahikely namoy ny ainy vokatry ny hanoanana tao Toamasina. Ny asabotsy folakandro lasa teo, akory ny hagagan’ny rehetra izay nandalo eo amin’ny tokontany malalaka anoloan’ny kianja manara-penitra Barikadimy, mifanila amin’ny biraon’ny polisy boriborintany faharoa Mangarano fa mahare fofona maimbo. Rehefa nozahan’ireo ankizy […]
Mois : février 2023
COVID 19 : iray maty, fito ny tranga vaovao
Nisy olona iray namoy ny ainy vokatry ny Covid-19 ny herinandron’ny 4 ka hatramin’ny 10 febroary lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Azo avy amin’ny fitiliana mahatratra 362 ity vokatra ity, olona fito vaovao koa no voatily fa mitondra ny tsimokaretina tao anatin’ny herinandro. Roa ny marary anatin’ny […]
Filoha Rajoelina Andry: tokantrano 2570 hisitraka vola 120 000 Ar
Anisan’ireo nitondra takaitra taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo ary mitoka-monina tanteraka ankehitriny ny distrikan’Ambato Boeny. Araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry nandritra ny diany tao Marovoay ny herinandro lasa teo, tonga nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina miisa 1105 tao Ambato Boeny izy ny faran’ny herinandro teo. Dibo-drano ny ankamaroan’ny […]
Rugby – “6 Nations”: resin’i Irlandy i Frantsa
Taorian’ilay fandresena in-14 nisesy, lavon’ireo Trèfle “Irlandais” ny XV France, ny asabotsy lasa teo, tany Irlandy. Lalao rugby izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na «6 Nations». Resy tamin’ny isa 32 no ho 19 ny ekipa Frantsay tamin’ity fihaonana ity. Nanjakan’ny Trèfle tanteraka ny lalao ary hita fa […]
Rugby: mitaky ny mangarahara ny ekipa « Top 20 »
Miisa 14 ireo ekipa ao amin’ny Top 20, izay mitaky ny taratasy mangarahara na ny “certificat de conformité” an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Araka izany, nangataka ny tsy hanaovana ny fifaninanana Top 20, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity, izy ireo. Araka ny valan-dresaka nataon’ireo ekipa 16 tonga teny Antanimena, ny omaly. […]




