Mois : février 2023

Tetikasa tanamasoandro : nahazo tsindry amin’ny fananan-tany ireo mponina

Nitaraina tamin’ny firaisamonina sivily Rohy teny Ambatonakanga ireo mponina voakasiky ny tetikasa trano mora eny Imerintsiatosika, omaly. Mahazo tsindry amin’ny fananan-tany efa nositrahany ireo solontenan’ny mponina. Mahatratra 980 hektara ny tany natokan’ny fanjakana anaovana ny tetikasa eny an-toerana. “340 hektara ny tanim-panjakana tafiditra amin’io fa tanin’olon-tsotra avokoa ny ambiny”, hoy […]

“Fambolen-kazo 2023”: nisafidy an’Andrano­ve­lona sy Vakinan­karatra ny Star

Tontosa tamin’ny herinandro teo ny anjara fambolen-kazo nataon’ny STAR. Toa ny tamin’ny taon-dasa, nisafidy an’Andranovelona, toerana misy ozinin’ny orinasa, ma­mokatra ny Eau Vive izy ireo. Teo ihany koa ny faritra Vaki­nankaratra izay misy ozinina sy masoivoho Star. Zanakazo 20.000 isa no novolen’ny mpiasa tamin’ireo faritra roa ireo. Nahitana kininina, zakaranda, […]

Nandoro trano sy nandroba… : voasambotry ny zandary i Tombozandry sy ny namany

Tsy afa-bela teo anoloan’ny zandary sy ireo mpanara-dia ny andian-dahalo tarihin’i Tombozandry sy ny namany. Tsy vitan’ny mandroba ireo malaso fa sady mamono ihany koa… Noraisim-potsiny! Tra­tran’ny zandary ireo dahalo enina voarohirohy tamina halatra tao La­vahandry, fokontany Lohano­sy, kaominina ambanivohitr’i Manambidala, distrikan’i Von­drozo, ny alahady teo. Nisy trangana halatr’omby enina […]

American Corner : mpampianatra teny anglisy 30 niofana

30 mianadahy indray ireo mpitarika English Club hahazo fiofanana sy torolalana maimaim-poana momba ny fananganana sy fitarihana ary fandrindrana ny sehatra fizàrana sy fampianarana teny anglisy. Miofana mandritra ny roa andro eny amin’ny American Corner Antananarivo izy ireo. Miandraikitra ny fandrindrana fikambanana mpankafy teny anglisy na English club moderators training […]

“Clinique Mobile” : hitety vohitra ireo fiarabe hanome tolotra ara-pahasalamana

Notoloran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) fiarabe misy fitaovana afaka mivezivezy (clinique mobile) efatra indray ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka, omaly, teny amin’ny HJRA. Hanampy amin’ny fahaizan’ny mponina miatrika, taorian’ny voina sy ny valanaretina ny fitaovana ary hanatona ny vahoaka any amin’ny toerana lavitra. Betroka, Tao­lagnaro, Antanambao Toliara, ary Ambovombe […]