Mois : février 2023

Minisitra Andriamanampisoa Soloniaina: «Misy alamina kely Ivolobe sy Sahofika»

Anisan’ny tetikasa goavana amin’ny lafiny famatsiana herinaratra ny Ivolobe sy ny Sahofika, samy iarahana amin’ny orinasa tsy miankina. Nilaza ny minisitry ny An­govo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, omaly, fa misy singa mbola alamina ao anatin’ny fifanarahana amin’ireo roa ireo iarahana amin’ireo orinasa tsy miankina ao anatiny. Isan’izany ny lafiny […]

Tetikasa Prirtem II: hisitraka herinaratra ny 70%-n’ny malagasy amin’ny 2030

Nampahafantarina, omaly, ny tetikasa Prirtem II, mifantoka amin’ny fitaterana herinaratra miainga eto Antananarivo mankany Antsirabe. Tanjona ny hampiakarana avo roa heny ny herinaratra vokarina, ka hisitraka izany ny 50%-n’ny malagasy amin’ity taona 2023 ity ary ho ny 70% amin’ny taona 2030. Misy ny tetikasa ha­na­tsarana sy hampitomboana ny fa­ma­tsiana sy […]

Miss Madagascar 2023 : nivoaka omaly ny anaran’ny mpandray anjara

Nampahafantarin’ny Co­mi­té National de préparation de Miss Madagascar (CNMM), ny alatsinainy 27 febroary 2023, ny anaran’ny mpandray anjara rehetra amin’ny fifaninanana «Miss Madagascar 2023». Mahatratra 22 ny mpifaninana. Faritra 21 miaraka amin’ny diaspora no manana solontena. Ny faritra Sofia sy Analanjirofo kosa no tsy manana solontena amin’izay fifaninanana izay. Izay […]

«Zaza mifety» : nanolotra «Fitempo» ry Mamiso Trio

Niaka-tsehatra tetsy amin’ ny IFM Analakely, ny sabotsy lasa teo, ny Mamiso Trio, avy atsy La Réunion, tamin’ny alalan’ilay seho miavaka «Fitempo», ao anatin’ny hetsika «Zaza mifety». Namba­ran’i Njiva, solontena avy amin’ny Mamiso Trio fa «fampitana hafatra ny fiakarana an-tsehatra teto Mada­gasikara ny «Fitempo». Mire­saka momba ny rano sy ny […]