Mois : février 2023

« Sarobidy ny aiko »: hetsika sosialy manakaiky vahoaka

Nanainga omaly nihazo an’Anosiala, distrikan’Ambo­hi­dra­tri­mo ny fiarabe maromaro hitondra tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana manatona vahoaka « Sarobidy ny aiko ». Miavaka ny tolotra satria mitovy amin’ny omen’ny hopitaly lehibe, miaraka amin’ny fitaovana avo lenta sy mpitsabo manam-pahaizana manokana, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, teny am-piaingana. Hisitraka ny hetsika sosialy avokoa ny distrikan’Avaradra­no, Atsimondrano, […]

Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka: “Tsy nanome fahazoan-dalana hampianatra ho mpitsabo nentim-paharazana”

Namoaka naoty fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manoloana ny firongatry ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fanatanterahana ny fitsaboana nentim-paharazana. Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka ny fanokafana toeram-pitsaboana nentim-paharazana sy ny fanatanterahana fitsaboana mifandraika amin’izany. Tsy manome fahazoan-dalana velively hanofana ho mpitsabo nentim-paharazana ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka satria nolovaina fa […]

Fotodrafitrasa -CUA: nahazo 10 tapitrisa euros avy amin’ny AFD

Nifanaraka omaly, ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny vola, tamin’ny AFD (Agence française du dé­veloppement) ny amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eto an-dRenivohitra. Nanome vola 10 tapitrisa euros ity farany. Ho enti-manatsara ny fiainan’ny mponina ihany koa izany, ankoatra ny fandaharanasa iray ho an’ny fivezivezena eto Antananarivo Reni­vo­hitra, […]

Bas-Mangoky: 5,3 t isaky ny ha ny voka-bary

Mitombo ny voka-bary any amin’ny lemaka Bas-Mangoky, distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana, rehefa hita ny vokatra tamin’ ny janoary 2023 teo. Tsapa izany taorian’ny fanajariana natao avy amin’ny famatsiam-bola tamin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Ny asa natao teo anelanelan’ny 2013-2021 ho fanatsarana ny fambolena any amin’ny faritra. Fantatra […]

Harena an-kibon’ny tany : nanaovana atrikasa ho fiarovana amin’ny kolikoly

Nohamafisin’ny Transparency International –Initiative Madagascar (TI-MG) ny ady atao amin’ ny kolikoly ho fiarovana ny harena an-kibon’ny tany. Nanaovana atrikasa izany tao amin’ny Hôtel Centell Antanimena, ny faran’ny herinandro teo. Hatramin’ny taona 2020 ny Fikambanana Schmidt Family Foun­dation amin’ny alalan’ny Saving Lives I, II, III no miady amin’ny kolikoly ao […]