Nanomboka omaly avy hatrany ny ady amin’ny andiam-balala nataon’ireo tomponandraiki-panjakana ao Ihorombe. Noho ny fahatsapan’izy ireo ny voka-dratsy ateraky ny fisian’io biby mamotika fambolena io, natsangana ny Komitim-paritra miady amin’ny Valala. Nitarika ny fivoriana « OMC élargie » mahakasika ny valala ny lehiben’ny prefektiora sy ny governora ao Ihorombe, ny talata 7 […]
Mois : février 2023
Toamasina: mahaliana olona maro ny Muay Thai
Anisan’ny taranja vaovao, saingy ankafizin’ny ankizy sy ny tanora maro, na ny ray aman-dreny aza, ao Toamasina ny haiady “Muay Thai”. Fantatra izany nandritra ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenena, izay notanterahina tao amin’ny Club Nautique, ny alahady 5 febroary lasa teo. Ny maitre Mamy na ” Ajarn Mamy”, no nitarika […]
Fanohanana ny Filoha Rajoelina: « Tsy maintsy miray hina ny mpiaradia rehetra », hoy ny GMMAR
Anatin’ny fametrahana ny rafitra manerana ny Nosy ankehitriny ny « Groupe Mamy Jô Miaraka amin’i Andry Rajoelina » na ny GMMAR, tarihin’ny filoha nasionaliny, Atoa Ranarison Maminirina na i Mamy Jô. Taorian’ny tany amin’ny faritany, anatin’ny mandrindra sy mametrapetraka ny eto amin’ny Faritra Analamanga ny fikambanana. Nisantarana izany ny fandraisana anjara tamin’ny […]
Fiaraha-miasa: antsoina ny Japoney hifampiraharaha amin’ny Malagasy
Nihaona ny masoivoho japoney, Abe Koji sy ny minisitra misahana ny indostria, varotra sy fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny 7 febroary 2023. Nifantoka momba ny lavanila, ny amin’ny tetikasa indostria isaky ny distrika (Odof), ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny dinika nifanaovana. Momba ny lavanila, notsiahivin’ny minisitra ny […]
Orange sy AMN Ltd : manitatra ny tambajotra any ambanivohitra
Nifanaraka ny Orange Madagascar sy ny AMN Ltd, omaly 8 febroary 2023, hanitatra tambajotra any ambanivohitra, izay misy mponina maherin’ny iray tapitrisa ivelan’ny nomerika hatramin’izao. Toerana 500 isa no kasain’ny Orange sy AMN hapetraka eny ambanivohitra. Ireo toerana ireo hahafahan’ny Malagasy mifandray lavitra, tsy voatery mifindra toerana any amin’ny tanàn-dehibe. […]




