“Ho mafimafy noho ny teo ny tolona hataonay amin’ity. Tsy ho voafehin’ny rindrina efatra izahay fa hivoaka amin’izay”, hoy ny filoha lefitry ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM), ny Me Jean Claude, teny Anosy, afakomaly, momba ny fivoriambe hataon-dry zareo eto Antananarivo amin’ny 24 febroary ho avy izao. Ho eny […]
Mois : février 2023
Fahamarinan’ny lisi-pifidianana : “Ny fanaovana fanaraha-maso no antoka”, hoy ny Ceni
“Tsy mihambahamba izahay eto amin’ny Ceni miantso ny rehetra hanao fanaraha-maso ny lisitry ny mpifidy. Izay ihany no antoka azo ifotorana amin’ny fampanjakana ny fahamarinana sy ny fangaraharana”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny filazan’ny antoko politika sasany fa tsy mangarahara ny fanavaozana ny lisitry […]
Randriamalala Robert Charly: “Mila miara-mientana hahatongavana amin’ny fifidianana ny rehetra”
An-dalana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny Ceni amin’izao fotoana izao. Aiza ho aiza? Maneho ny heviny ny filohan’ny Cellule de moralisation de la vie publique – Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid), Randriamalala Robert Charly: “Mila miara-mientana mba hahatongavana amin’ny fifidianana ny rehetra mba tsy hifanomezan-tsiny rehefa avy eo.” […]
IKM Antsahavola: hankalaza ny faha 10 taonany
Ivotoerana iray mampiroborobo sy miantsoroka ny fanandratana ny kolontsaina ny Ivotoeranan’ny Kolontsaina Malagasy na IKM eny Antsahavola. Mankalaza ny faha 10 taonany ity ivotoerana ity amin’ity taona 2023 ity. Tanjona napetraka hatramin’izay ny fanabeazana amin’ny alalan’ny kolontsaina. Dingana sy vina maro no napetraka sy notanterahin’ny IKM Antsahavola tao anatin’izay fotoana […]
Misesy ireo mpanakanto vahiny… : efa lany ny tapakila 400.000 Ar amin’ny sehon’i Tayc!
Nisy ireo tsy dia nahazo mpijery firy… Fa ny ankamaroan’ireo mpanao rap sy afropop vahiny nandalo teto Madagasikara kosa dia maro mpankafy. Anisan’ireo andrasana mafy i Tayc, araka ny efa nampanantenain’ny mpikarakara tamin’ny volana desambra lasa teo. Fantatra mantsy fa efa lany ny tapakila sokajy VVIP, izay namidy 400.000 Ar […]




