Ho fisaorana ny Barea de Madagascar tamin’ny zava-bitany nandritra ny fifaninanana Chan Algerie 2022, notoloran’ny Telma vola 136.000.000 Ar sy finday avo lenta miisa roa avy izy ireo omaly, teny Andraharo. Nahazo lelavola 4.000.000 Ar sy finday avo-lenta SAMSUNG S22 sy A22 tany amin’ny Telma avy ireo olona 34 tao […]
Mois : février 2023
Takaitran’ny rivodoza : mitohy hatrany ny fanampiana ny any Marovoay
Nigadona any Marovoay omaly, andro vitsy taorian’ny nandalovan’ny filoha Rajoelina Andry tany an-toerana ny fiara fitondrana marary “Ambulance”, araka ny fangahana nataon’ny “Médecin inspecteur”. Natokana ho an’ireo marary eo anivon’ny distrika sy ny manodidina izany ary ampiasaina ao amin’ny Centre Hospitalier de District, ao Fihaonana, Marovoay. Efa nialohavan’ny fanomezana fanampiana […]
Vidim-piainana : manodidina ny 1000 Ariary ny kapoakan’ny vary
Miakatrabe ny vidim-bary eny anivon’ny tsena raha ny fanadihadiana natao. Voakasik’izany ny makalioka sy vary gasy ary ny diste. Alaina 152 500 sy 154000Ariary ny vary diste sy makalioka ao amin’ ny tsenan’Anosibe. Amidy 3350 sy 3500 ariary ny iray kilao eny amin’ny tsena mpaninjara. 1000 Ariary sy 950 Ariary ny […]
Jly Rakotonirina Richard : “Firenena mahaleo tena sy manana ny fiandrianany i Madagasikara”
Nanatanteraka famelabelaran-kevitra, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham- bahiny Anosy, mitondra ny lohateny hoe “Madagascar : insularité et contraintes géopolitiques” ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) sady minisitry ny Raharaham-bahiny (MAE) mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard. Novelabelariny nandritra izany fa Nosy manana ny fiandrianany i Madagasikara. “Tany mahaleo tena tanteraka sy […]
CUA : hisitraka ny tolotra ara-pahasalamana ny mponin’Anjanahary
Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka tanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hotanterahina eny Anjanahary, boriborintany fahadimy indray ny hetsika ara-pahasalamana faobe manomboka anio hatramin’ ny zoma 10 febroary izao. Ho hita amin’izany ny fitiliana diabeta, ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny covid-19, ny fizahana maso maimaimpoana sy fivarotana solomaso amin’ny vidiny zakan’ny rehetra. […]




