Nozahan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Anosy sy Androy ny olana momba ny kere any an-toerana. araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika. Anisan’ ny laharam-pahamehana ny famatsiana ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN) any amin’ny faritra hamahana ny olana sy hanamorana ny fizarana izany amin’ny vidiny ara-drariny. Nandritra izany fotoana izany, nohararaotina ny […]
Mois : février 2023
Fampiroboroboana ny indostria: hanodina voanjo ho lasa menaka ny any Morondava
Taorian’Ambositra sy Fianarantsoa dia i Morondava no distrika fahatelo misitraka Tanin-ketsa Indostrialy amin’ny alalan’ireo fitaovana nafarana hananganana indostria madinika miisa 75 manerana an’i Madagasikara, tato anatin’ny telo herinandro izao. Milina fanodinana voanjo ho lasa menaka no naterin’ny minisitra misahana ny indostria tany an-toerana ny faran’ ny herinandro teo noho iny […]
Krizy ara-tsakafo: hovaina ny fomba fisakafoana
Natao ny 18 hatramin’ny 21 janoary 2023 teo tany Berlin Alemaina, ny Fikaonan-doha iraisam-pirenena mikasika ny sakafo sy ny fambolena (GFFA). Lohahevitra noraisina ny hoe « Hovaina ny fomba fihinana sakafo : vahaolana maneran-tany mamaha krizy maro ». Nahatratra 2.000 ny mpandray anjara, nahitana minisitry ny fambolena miisa 64 izay avy aty Afrika […]
Faritra Menabe: harenina ny Lemak’i Dabara
Sompitra voalohany ho an’ny faritra Menabe ny lemak’i Dabara. Mahatratra 18.360 ha ny velaran’ny tanimbary any an-toerana, ary mahavita mamboly vary indroa isan-taona ny tantsaha. Azo atao aza ny mamboly fanintelony, saingy tsy ampy ny rano, tsy mahasahana ny lemaka rehetra. Hetahetan’ny tantsaha hatry ny ela, ny hanarenana ny tohodrano […]
Fambolena : nihena 11,93% ny voka-bary tany Alaotra
Nisy ny fanadihadiana nivoaka ny taona 2022, nataon’ny fandaharanasa iraisam-pirenena mikasika ny sakafo, « World food program » (WFP), ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny sakafo (FAO) ary ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), mikasika ny sehatry ny sakafo sy ny fambolena eto Madagasikara, indrindra ny voamaina. Nitombo ny vokatra ny taona […]




