Naneho hevitra ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile, mikasika ny lalana eto amintsika. Nambarany, fa “latsaky ny 30 taona avokoa ny faharetan’ny lalana eto amintsika, ankehitriny. Tokony ho manodidina ny 40 taona anefa vao ho simba ny lalana, raha ampy tsara ny fikojakojana azy. […]
Mois : février 2023
Cementis Ibity : hahatratra 1.000.000 t isan-taona ny simenitra vokarina
Hany mamokatra simenitra eto Madagasikara, ny orinasa Cementis, na Holcim teo aloha any Ibity Antsirabe, faritra Vakinankaratra. Hita any an-toerana daholo ny akora fototra tena ilaina amin’ny fanamboarana simenitra, toy ny «calcaire», ny tanimanga, ny gypsa, ny «pouzzulane», sns. Nitsidika tany an-toerana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny […]
Antenimieran-doholona : niakatra 50 ha ny nambolena hazo
Niavaka ! Indroa miantoana ny fambolen-kazo nataon’ny fianakaviamben’ny Antenimieran-doholona, ny zoma 3 sy ny asabotsy 4 febroary teo, tany Tsaramandroso, kaominina Manerinerina, distrikan’Ankazobe. Nitarika izany ny filohany Razafimahefa Herimanana. Niakatra 50 ha ny velarantany nambolena hazo raha 30 ha ny taona 2022. Niisa 70.000 ny zanakazo nambolena, nahitana kininina, «frêne», acacia, […]
Fampidirana mpiasan’Ambatovy: tanora 47 sy mpiana-draharaha 44 nomena fiofanana
Misy ny fandaharanasa manokana, ny « Internship program », volavolain’ny orinasa, hitiliana ny tanora malagasy manam-pahaizana, homena fiofanana ary homena asa avy eo. Misy koa ny fampiofanana amin’ny seha-pihariana samihafa ho an’ny tanora monina ao amin’ny faritra iasan’Ambatovy. Ataon’ny orinasa Ambatovy laharam-pahamehana ny fampidirana ny malagasy eto an-toerana hiasa ao aminy. Nanomboka […]
Indray mijery
Hanokatra ny taom-pambolen-kazo amin’ity taona 2023 ity ny Tily eto Madagasikara ny alarobia 15 febroary izao eny amin’ny Tranombitsika Antsahamarofoza. Manao fanamiana ary mitondra ireo fitaovana ahafahana manao ny fambolen-kazo ireo rehetra hanatrika izany. Ny 22 febroary kosa no mifanentana ny Tily rehetra amin’ny fanomezan-dra maimaimpoana hotanterahina eny amin’ny CRTS […]




