Tsy asian’ ireo mpiasan’ny fahasalamana mitokona ao Fenoarivo Atsinanana hasina intsony ny solontenam-panjakana notarihin-dRasolomampionona Emmanuel, Préfet Fenoarivo sy ny vondron’olon-kendry ao an-toerana. Samy niantso ireo solontenan’ny mpiasa mitokona izy ireo mba hiaraka hivory hikarohana vahaolana momba ny fitakian’ izy ireo. Noho ny fikatsoan’ny asam-pahasalamana izay efa ahina hiantraika amin’ny ain’olombelona […]
Mois : février 2023
Fanampiana ny marefo : tokantrano 14 880 nisitraka vatsy any Atsimo Atsinanana
Mbola misy amin’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’i Midongy Atsimo sy Vondrozo, faritra Atsimo Atsinanana no tsy tafarina ary mila tohana sy fanampiana ara-tsakafo taorian’ ny nandalovan’ny rivodoza nifanesy ny taona lasa sy voakasiky ny rano be farany teo. Nizara vatsy Tsinjo ho an’ny kaominina valo anatin’ny distrikan’i Vondrozo (Vondrozo, Andoharano, […]
Fanofanana mpitsabo ao anatin’ny 3 volana: maro ireo nahatsiaro ho voatohintohina ka miandry ny fampiharana ny lalàna
Dokotera, profesora, mpivarotra fanafody, mpitsabo nentim-paharazana matihanina, olon-tsotra…. Samy nahatsiaro ho voatohintohina tamin’ny resabe momba ilay fampiofanana mpitsabo ao anatin’ny 3 volana. Samy naneho ny heviny izy ireo ary miandrandra ny fampiharana ny fepetra hentitra manodidina izany. Nanaitra ny sain’ny maro, indrindra ny dokotera sy ireo mpivarotra fanafody matihanina ny […]
Raha hiverina eny an-doharano : ny tenin-drazana no hoenti-mampianatra
Andro vitsy lasa, nanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-drazana » i Madagasikara. Tazana hatrany ny fampirantina, vela-kevitra, seho samihafa eny an-tsehatra… Tsy ampy ny hetsika indray mandeha ao anatin’ ny taona raha hikendry ny hampivelatra sy hanome hasina ny teny sy ny tany (tanindrazana) ary indrindra hiverina eny an-doharano amin’ny […]
Rakotofrah Junior : hanao fampisehoana vakodrazana
Hotanterahina ny alahady 26 febroary 2023, eny amin’ ny Ivokolo Analakely ny fampisehoana vakodrazana, iarahana amin’ny Tarika Rakotofrah Junior sy ny Akon’ny Diary. Fampisehoana iarahan’ ny Office Nationale des Arts et de la Cultures na OFNAC misalaha amin’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina ny fanatanterahana azy, miaraka amin’ny fikambanan’ny […]




