Mois : février 2023

Anac Analamanga: hiaka-tsehatra ny mpianatra

Tanterahina anio, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, eny amin’ny foibe toeran’ny Anac, eny amin’ny Tranombo­kim-pirenena, Anosy, ny he­tsika “Anao ny sehatra”. He­tsika hampisehoan’ny mpianatra avy eo anivon’ny Anac ny fahaiza-manao sy ny fahai­zana norantoviny nandritra ny fianarany. Mahatratra 19 izy ireo no hampiseho ny fahaizany amin’io fotoana io. Mpia­natra mozika, […]

Fiarovana ny zon’ny mpamorona: vonona hanampy ho an’ny fanavaozana ny Omda ny Unesco

Nandroso sosonkevitra ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Unesco, amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy fiarovanana ny zon’ny mpamorona. Toraka izany koa ny fikajiana ireo tahirin-kevitra tranainy. Tontosa omaly ilay fi­kaonandoha iraisam-pirenena handinihana ny fomba hitantanana ny aterineto sy ireo tambajotran-tserasera naterany mba hiantohana ny fahalalahana miteny sy hiarovana ny demokrasia, natao tany […]

Fiaraha-miasan’ny Anja Madagascar sy ny Safidy : “Tokony hohamoraina ny zo hitory amin’ny fifidianana”

Olana tsy mbola voavaha tao anatin’ny taona maro. Nahatsikaritra ny eo anivon’ny Safidy, nandritra ireo fanaraha-maso nataony, fa ilaina ny fanatsarana ny fampanajana ny zo hitory amin’ny fifidianana. “Olana ny fahasarotan’ny paikady arahina sy ny fitondrana porofo, ny tsy fahampian’ny fotoana ahafahana mitondra ny raharaha ; ny tsy fahampian’ny enti-manana […]

CMVP-Safid : “Aleo tsy ravana fa sokafana amin’ny mpanao politika ny Ceni”

Nisy depiote mpanohitra nilaza fa tokony hojerena akaiky ny mety ho olana amin’ny fanatanterahana fifidianana. Nanome sosokevitra ry zareo hoe misy andininy fito amin’ny lalàm-pifidianana tokony hahitsy. Anisan’ny nohamafisiny tamin’izay ny momba ny And. 15 amin’ny lalàna 2015-020 ny amin’ny sata mifehy ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana fifidianana (Ceni). “Amin’izao […]

Takaitran’ny rivodoza : nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny filoha Rajoelina Andry

Nidina tany Mananjary nitsidika ireo traboina noho ny rivodoza Freddy ny fitondram-panjakana notarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, omaly. Nitondra fa­nampiana ho an’ireo traboina izy ireo nandritra ity fidinana ifotony ity. Nankasitraka ny fitondram-panjakana, in­drin­dra ny filoham-pirenena ireo olom-boafidy miahy ny tanànan’i Mananjary. “Sitraka enti-matory izao ataonao anay izao ka valinay rehefa […]