Mois : février 2023

Tsenan’ Anosibe : nihaino ny olan’ny mpivarotra ny ben’ny Tanàna

Nidina ifotony teny amin’ny tsenan’Anosibe ny ben’ny Ta­nànan’Antananarivo Renivo­hitra sy ny mpiara-miasa ami­ny, afakomaly. Nijery ny zava-misy sy ny olan’ny mpivarotra ary ny fandrosoan’ny asa fa­namboarana sy fanavaozana teny an-toerana izy nandritra izany. Fotoana nanaovan’ny fi­kambanan’ny mpivarotra tatitra tamin’ny ben’ny Tanàna io fotoana io. Nilaza ny fikambanan’ny mpivarotra fa nisy […]

CUA : ny hahasoa ny mponina ny politikan’ny kaominina

Nifampiresaka tamin’ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo ireo solontenan’ny mponina sy ny mpiasa avy amin’ny boriborintany enina omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Tranompoko­no­lona Anala­kely izany. Nilaza ny ben’ny tanànan’ Antananarivo Renivo­hitra Andriantsitohaina Naina fa ilaina ny fotoana toy izao mba ahafahana mifampiresaka sy mifampizara olana. Nohama­fisiny fa ny hahasoa ny mponina ny politikan’ny kaominina. […]

Tetikasa JICA : manampy ny tontolo ambanivohitra amin’ny fambolena sy fiompiana

Anisan’ny tetikasa mifandimby iarahana amin’ny Japoney hatramin’izao ny hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Manohana izany tetikasa izany ry zareo Japoney amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa Jica (Japan cooperation international agency). Mandeha ankehitriny ny tetikasa Jica eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana any ambanivohitra. Miaraka tohanan’ny Jica amin’izany tetikasa iza­ny, ny paikady famokarana vary amin’ny […]