Mois : février 2023

Fomba amam-panao, tantara, kolontsaina… : misokatra ny revio nomerika « Tsanganafo »

Miavaka noho ny fahita hatramin’izay ! Raha ny fandraiketana anaty boky sy ny famoahana izany no nahafantarana an-dRanjatohery Harilala hatramin’izay, hi­ampy izany. Misokatra ny revio nomerika nampitondrainy ny anarana «Tsanga­na­fo». Nambarany fa : «ahitana lahatsoratra momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fampahafantarana ity nosy ity, ny fomba amam-panao, ny kolontsaina, ny teny […]

Slam Poésie: hiantsehatra ny klioba Slamis

Hotanterahina ny asabotsy 25 febroary 2023, eny amin’ny Kinga, trano fisakafoana, eny Mahamasina ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Slamis. Vondrona iray miorina eo anivon’ny oniversite U-magis Masina Misely Ampa­ribe, miangaly ny Slam Poésie ny Slamis. Tanjona ny fampivondronana ny tanora mpianatra eo anivon’ity sekoly ity, tia sy mankafy Slam. […]

40 taona an-tsehatra: manomana seho eto an-tanindrazana i Mam’Rakoto

Iray amin’ireo mpikambana fototra tao amin’ny tarika Njila no tena nahafantarana azy… Nanana ny lalany manokana teo amin’ny mozika kosa i Mam’Ra­koto, na dia tsy nipetraka teto an-tanindrazana aza. Fantatra fa mandalo eto kosa izy, ary efa niaka-tsehatra nandritra ny lanonana tao amin’ny groupe éducatif Aceem, ny 10 febroary teo. […]

Haikanto Malagasy: hisy ny fampirantina ho an’i Razakaratrimo Zo

Hetsika goavana no atolotry ny Fondation H, ho an’ny mpanaraka azy, sy ny mpankafy haikanto Mala­gasy, indrindra ny tontolon’ny fanenomana. Hisy ny fampirantina lehibe karakarain’ity ivontoerana ity ho fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana ny mpahay kanto mpanenona, Razaka­ratrimo Zoarinivo na Ma­dame Zo. Eny amin’ny Ivon­toerana vaovaon’ny Fonda­tion H, eny Amba­tomena no hanatanterahina […]

Lahabolana sy ny fivoarany: mbola miteraka resaka maro ny kabary atao amin’ny fiteny vahiny

Mihazakazaka be ny fiovan’endriky ny lahabolana am-bava amin’izao vanim-potoana izao. Iray amin’ireny ny kabary izay efa manomboka mivelatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manana ny mampiavaka azy anefa io kolontsaina malagasy io, hany ka miteraka resaka maro ity lazaina ho fivoarana ity… Iray amin’ireo kolontsaina malagasy faheno manerana an’i Madaga­si­kara ny […]