Mois : février 2023

Sekoly mampiantrano: mila manaja ny fotodrafitrasa ireo traboina

Marobe ireo sekoly mampiantrano ireo olona traboina rehefa fotoanan’ny rivodoza toy izao. Nanentana ny minisiteran’ny Fanaberazam-pirenena fa tokony hanaja ny fotodrafitrasa ireo olona traboina raisina amin’ireny sekoly ireny mba tsy hisian’ny fahasimbana. Mila hajaina sy arovana ny fitaovana toy ny boky sy ny dabilio satria mbola hianaran’ny mpianatra izy ireny […]

Hatambatra ny fotodrafitrasa : hiara-hiasa ny INTH sy LTA

Tafiditra anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail” (JMCT) ny fiaraha-miasa ho an’ny sekoly teknika iompanan’ny fanohanana. Nanomboka omaly, “hi­fanampy ny sekoly ambony INTH sy ny Lycée teknika Ampefiloha (LTA) amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ananan’ny roa tonta : laboratoara, efitrano fianarana”, hoy ny tale mpan­drindra ny JMCT […]

Rivodoza Freddy: nihena ny heriny fa mbola 155 km isan’ora ny rivotra entiny

Omaly tamin’ny 3 ora teo, tany amin’ny 140 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Mananjary no nisy ny foiben’i Freddy. Nisy fihenana hatrany ny heriny fa mbola rivodoza mahery izy. Taorian’ny fidirany an-tanety, hamakivaky ny afovoan-tany izy halina ary tombanana hi­voaka any amin’ny Lakan­dranon’i Mozambika ao amin’ ny faritra Atsimo Andrefana, […]

« Ireny hirantsika ireny… » : hotsaroana eny an-tsehatra i Gabhy

Efa andrasan’ny olona maro fatratra! Raikitra fa ho­tanterahina, ao amin’ny CCEsca Antanimena ny 4 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ilay seho an-tsehatra ho fahatsiarovana an’i Gabhy. “Ireny hirantsika ireny…”, hiarahana amin’ny tarika Gabhy sy ireo tanora tia ireo hira nokaloiny, ireo sakaizan’ny tarika Kintana Telo, Ny Rabarivola ary […]

Egm Madagascar: mifarana ny atrikasa momba ny tsapiky

Tontosaina anio, eny amin’ny G&V inn, Andrefan’ Ambo­hijanahary, ny hetsika “Gitara Malagasy”. Fampi­sehoana hanehoan’ny mpianatra niatrika ny atrikasa nandritra ny roa andro. Hetsika vaovaon’ny EGM-Conservatoire de musique, nanomboka tamin’ity taona ity izy ity. Tanjona ny fampitomboana hatrany ny fahaizana sy fahafehezan’ny Malagasy ny gitara. Tamin’ity volana ity, ny tsapiky sy […]