Mois : février 2023

Banky iraisam-pirenena : “Miitatra ny fahantrana”

Noraisin’ny solontenan’ny birao maharitra sy ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza, omaly, ireo de­legasiona avy amin’ny Ban­ky Iraisam-pirenena, afakomaly. Voaresaka tamin’izany ny tatitra momba ny zava-misy eto amintsika. “Tena miaina anaty fahantrana ny maro ary hita fa miitatra any amin’ny renivohitra izany fahantrana izany”, hoy ireo vahiny. Notakin’ireto iraka ireto ny hanatsarana […]

Fanahiana korontana : noraisin’ny FFKM ny vovonana “Lera”

Anisan’ny nihaona tamin’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM ny vovonana “Lera”. Tafiditra amin’ny dingana, mialoha ny fifidianana izany, hoy ny depiote Razara Pierre na i “Del kely”. Notaterin’ny solombavambahoaka Razara Pierre tao amin’ny fandaharana Miara-manonja (MM), ny herinandro teo fa ilaina ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra ary mangaraharaha. “Aleo misoroka […]

CUA – Pavillon Analakely: tokony hanaja lamina ny mpivarotra

“Eo ambany fiadidian’ny kaominina Antananarivo Re­nivohitra ny tsena rehetra misy eto an-toerana”, hoy ny mpanolotsain’ny kaominina, Ravololomanana Lalatiana, omaly. “Tokony hanaraka ny lamina apetraky ny Kao­minina ireo nahazo alalana hivarotra rehetra”, hoy hatrany izy. Fantatra fa tsy mitovy hevitra ny mpivarotra vitsivi­tsy ao amin’ny tsenan’ny Pavillon Analakely amin’izao fotoana izao. […]

Rivo-doza !

Mbola tsy sitrana ny fery navelan’i Batsirai, efa nanao ny nataony koa ity ingahy Freddy. Mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny hetraketraky ny natiora ny vahoaka malagasy. Maro ny rava fananana, betsaka ny tanàna efa dibo-drano. Ho maro ny traboina. Raha ny tombantomban’ny manampahaizana, mety hahatratra 2 tapitrisa ny olona […]

Fitsindromana “Heroïne”: naiditra am-ponja ilay Jeneraly polisy

Nalefa eny Antanimora ilay kaomisera divizionera, tratra nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’ny By Pass. Nanaraka fitsaboana izy mialoha ny fandefasana azy any am-ponja. Taorian’ny fihainoana azy teny amin’ny fitsarana, afakomaly, migadra etsy Antanimora ilay kaomisera divisionera mpidoroka sady mpivarotra “Héroïne” sy Méthamphetamine. “Mbola nanaraka fitsaboana, nanadiovana ny vatany na […]