Nirefotra indray ny basin’ny polisy teny Andohatapenaka, ny faran’ny herinandro teo. Maty voatifitra ny jiolahy iray avy nanendaka ramatoa mpivarotra. Araka ny fanazavan’ny polisy (CSP7), ramatoa mpivarotra iray no lasibatry ny jiolahy niaraka tamin’ny antsibe tamin’io fotoana io. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy anefa ny […]
Mois : février 2023
Fotoana fandinihan-tena sy teny izao
21 febroary. Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny rahampitso. Ho an’izay mahalala, tsaroana hatrany ny fanoloran-tenan’ny mpianatra dimy tao Dacca tamin’ny 21 febroary 1952. Namoy ny aina ho an’ny tenin-dreny? Mba ho teny ofisialy ny teny Bangla, fa tsy ho tenim-pirenena faharoa. Izay no niavian’i Bangladesh ho renivohitr’i Pakistan, taorian’ny adim-panafahana. […]
Mihatra ny loza manambana: hiditra an-tanety rahampitso i Freddy
Rivodoza anisan’ny mahery vaika i Freddy. Hiditra an-tanety rahampitso alina izy, raha ny tombatomban’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetry ny andro, omaly tamin’ny 3 ora hariva, tany amin’ny 1639 Km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’ilay rivodoza Freddy. Mbola tena mahery vaika izy any […]
Tselatra
Lavon’ny zandary ny jiolahy roa lahy tao Ambohimanga, fokontany Antsahondra, Kaominina Ambohitompoina, Distrika Antanifotsy ny zoma 17 febroary teo. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina ny fokontany ireto olon-dratsy ka tsikaritry ny fokonolona. Nampandre avy hatrany ny zandary ireo fokonolona. Nidina nijery ifotony ny zava-misy ny zandary. Nirifatra ireo dahalo mirahalahy vao […]
Ranomainty – Taolagnaro : daholo roa lahy tratran’ny Tafika
Ampolony ireo andian-dahalo nirongo basim-borona sy famaky ary lefona nitangorona tamin’iny lalam-pirenena faha 13 (RN13) iny. Tao Ranomainty, kaominina ambanivohitr’Ankariera, distrikan’i Taolagnaro, no nitrangan’izany afakomaly. Nikasa handroba ny mpndeha amin’iny lalana iny ireto dahalo ireto, araka ny fanazavan’ny mpandeha tamina taksiborosy hihazo an’i Taolagnaro. Nampandre haingana ny zava-misy tamin’ny miaramilan’ny […]




