Mitaraina noho ny fisian’ny mpiasa manao kolikoly ao amin’ny kaominina amin’ny mpivarotra amoron-dalana. Mpiasa vitsivitsy ao amin’ny Lapan’ny tanàna no manao izany fanararaom-pahefana. Betsaka ireo mpivarotra amoron-dalana izay mahazo mivarotra eny amin’ny sisin-dalana fa ny an’iretsy mpivarotra eo Ambatomena ambanin’ny Maosoivoho Frantsay no niharan’ity fanesorana tsy ara-dariny ity. Nandoa vola tany amin’ny tomponandraikitra izay voalaza etsy ambony. Araka ny fitarainan’izy ireo, nangalana vola 6 tapitrisa ariary izy ireo ary efa naloa tamin’ny « versement » voalohany io volabe io. Nalaina indray ilay karatra fa hoe havaozina enim-bola taty aoriana. Tsy naverin’ilay mpiasan’ny kaominina intsony ny karatra. Manamarina ny fandoavam-bola nataon’ireto mpivarotra ireto io karatra io. Nangataka fanazavana tao amin’ny birao nisy ilay tomponandraikitra nandoavana vola, kanefa izao nesorina amin’ny toerana fivarotana izao. « Roa taona nivarotana teo izahay. Nolazaina fa tokony hiditra amin’ny ara-dalàna. Nirisika izahay mpivarotra mba tsy hisian’ny fanenjehana anay intsony”, hoy ny solontenan’ireo mpivarotra. Nanana dika mitovy tamin’ilay karatra nogiazany ireto mpivarotra ireto ary manana rosia sy faktiora tamin’ilay nandoavana vola ihany koa. “Manahy ho tsy fantatry ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ity tranga ity. Efa nilaza izy fa rehefa tsy manakana lalana, azo atao ny mivarotra”, hoy ireo mpivarotra. Mangataka ny filoha hajaina sy ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo mba hijery akaiky an’ity raharaha ity izy ireo.
Tsiferana R.




