Ady amin’ny kolikoly: “Fanomezan-danja ny tanora sy ny fanavaozana”

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny herinandro lasa teo, ny fananganana ny « Haut commissariat de la jeunesse en charge de l’engagement citoyen et de la lutte contre la corruption ». Rafitra vaovao miady amin’ny kolikoly, nametrahana ny tanora manokana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanava­ozana ny Repoblika izany. Andraikitra andrasana aminy ny fametrahana paikady hiasana. Tanora no hampidirina ao anatiny amin’ny fampandraisana andraikitra ny tsirairay, izay rivotra entin’ny fanavaozana ny firenena, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena, Gaspar Brice Hariliva.
Aorian’ny fametrahana ny rafitra, hiroso amin’ny fijerena ireo sehatra rehetra isian’ny kolikoly ireo tanora ireo ary ho lasa tomponandraikitra amin’ ny fampandraisana andraikitra ireo raharaham-panjakana tompon’andraikitra momba ny ady amin’ny kolikoly.
Hisy fiaraha-miasa eo amin’io rafitra vaovao io sy ny tomponandraikitra miady amin’ny kolikoly efa am-perinasa sy ny mpitandro filaminana misahana ny fanenjehana. Natao ho fanomezan-danja ny tanora sy ny fanavaozana tiana hapetraka, hiompana amin’ny fidiran’ny tanora an-tsehatra momba ny ady kolikoly izany.
Tanjona ny hanatsarana ny fomba fitantanana eto Madagasikara, amin’ny sehatra miankina na tsia amin’ny fanjakana. Rafitra vao hatsangana ka ny didim-panjakana efa nivoaka no hametraka azy ary hisy fanendrena ireo tanora handrafitra azy, miaraka amin’ny pitsompitsony ahafahan’ny rafitra miasa ara-dalàna. Efa eo am-pandaminana ny rafitra ny tomponandraikitra ary tsy ho ela ny fampahafantarana ofisialy.

Vonjy

Partager sur: