Anisan’ireo mpikosoka kapila zokiny i DJ Dina. Maro ireo mahatsiaro ny fahatanorany tany amin’ny manodidina ny taona 2000 tany, raha maheno ny anarany. Monina any andafy ity mpikosoka kapila malaza ity, saingy mandalo matetika eto Madagasikara ihany. Eto indrindra izy izao, manomboka ny fankalazana ny faha-35 taona nikosehany kapila, amin’io taona ho avy io. Tsy handalo fotsiny fa manome fotoana ireo te hilanona hiaraka aminy i DJ Dina, anio manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Oxygène Centell Antanimena. Hitohy any Antsirabe izany ny 4 marsa, Mahajanga ny 10 sy 11 marsa, Nosy Be ny 17 sy 18 marsa ary hiverina eto Antananarivo, etsy amin’ny Ethnika ny 24 marsa. Any Toliara kosa ny 30 marsa ary hofaranana any Mangily ny 1 avrily ny lanonana iarahana amin’ity mpikosoka kapila ity amin’izao fandalovany izao.
Zo ny Aina




