Ho fanandratana sy ho fitandroana ny fomba amam-panao malagasy, izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, notanterahina tao amin’ny fokontany Ankasina, kaominina Pont Sofia, distrikan’i Mandritsara, ny Fanompoam-be doany Ankasina Fagnanimena. Naharitra telo andro ny hetsika ary mifarana anio 5 oktobra. Nahitana solontena sy mpandray anjara avy amin’ny faritra.
Andiany faha-173 ny « Concert classique de midi ». Ny Madagascar Orchestra no hanatanteraka seho ao amin’ny IFM Analakely, ny talata 13 oktobra izao. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireto mpitendry zavamaneno tarihin’i Antsanirina Rakotoarimino ireto ny famelomana indray ireo sanganasan’ny andrarezin’ny mozika klasika maneran-tany. Anisan’izany ny an-dry G. Rossini, P.I Tchaikovski, G. Bizet, Jojann Straus.
“Revy sy vazo” miaraka amin’i Princio, ny zoma 6 novambra izao, ao amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Hiavaka, satria, araka ny anarany, hizara telo ny tapakila, hahitana ny « Revy mitsangana », « Revy mipetraka », ary ny « Revy VIP ». Endrika telo hoenti-mamaly ny fangatahan’ny mpitia ny sanganasan’i Princio, izay ahitana ny sokajin-taona rehetra rahateo. Hetsika karakarain’ny Garage Mozika sy ny RN Évent.





