Nampahafantatra ny tetiandro ivoahan’ny lisitr’ireo mpianatra voafantina hahazo ny vatsim-pianarana amin’ ireo oniversite manerana ny Nosy ny sampandraharaha misahana izany eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, omaly.
Mila mijery ny lisitra eny amin’ny peta-drindrina, araka izany, ireo mpianatra nanao fangatahana ka voafantina nandritra ny sivana ary hisitraka izany vatsim-pianarana izany.
Hiroso amin’ny fanama-rinana sy fankatoavana ny lisitra ny tomponandraikitra ka namoahana datin’andro ny hivoahan’izany.
Hivoaka ny 6 marsa izao ny lisitr’ireo mpianatra hisitraka ny vatsim-pianarana eto Antananarivo. Ny 9 marsa kosa ho an’ny any Fianarantsoa ary ny 13 marsa ho an’ny any Toamasina. Any amin’ny 15 marsa no hivoaka ny lisitra ho an’i Mahajanga ary 17 marsa ny any Toliara, hitohy ny 20 marsa ny any Antsiranana.
Nanamarika ny tao amin’ ny sampandraharaha misahana ny vatsim-pianarana fa lisitra tokana voamarina iarahan’ny oniversite sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony miaraka amin’ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana sy fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra mankatoa sy mandany no ampiasaina sy handoavana ny vatsim-pianarana manomboka eo.
Miankina amin’ny fankatoavana iombonana ny lisitra sy ny fahatongavany eny amin’ ny minisitera no hahafahana miroso amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana. “Mila manaraka ny dingana sy lamina napetraka ny rehetra ary miandry am-pitoniana ny fizotran’ny fandaminana”, hoy ny tomponandraikitry ny minisitera.
Tatiana A




