Niakatra fitsarana tao Ambatolampy ilay raharaha anenjehana ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fandratrana lehilahy 38 taona tao Ambohimandroso Gara, distrikan’Antanifotsy. Heloka anenjehana ireto telo lahy ireto ny ratra sy vono niniana natao. Noratrain’izy roa lahy ireto ny mpiara-miandry omby aminy rehefa tsy nanaiky nampiady ny ombiny. Nilatsaka ny didy avy amin’ny mpitsara ka nahazo sazy mihantona enim-bolana izy telo lahy voampanga miampy onitra 2 700 000Ar. Milaza hampiakatra ny raharaha indray ny mpitory satria tsy afa-po tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana noho ny fahavoazana mahazo ilay niharam-boina. Andro vitsy lasa no nisehoan’ity raharaha ity tao Ambohimandroso. Valo andro tsy nahatsiaro tena teny amin’ny hopitaly ity lehilahy niharam-boina ity, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny fianakaviany. Tsy nety nampiady ny ombiny tamin’ireo namany ka teo no nitarika ny vono sy ratra. Ny roa lahy tamin’ireo nihazona azy raha nively tsatoka (hazo hifatoran’ilay omby) ny iray. Niaiky ny heloka vitany izy telo lahy nandritra ny fanadihadiana teny amin’ny zandary sy teo anoloan’ny fitsarana. Nomarihan’ny fianakavian’ny niharam-boina fa lasa adaladala mihitsy ity lehilahy ity noho ny hamafin’ny daroka nahazo azy teo amin’ny lohany.
J.C




