Tontosa ny alahady 14 jona lasa teo, tao amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ny ligin’i Vakinankaratra D1, taranja baolina kitra. Voahosotra ho tompondaka ny Gendarmerie Nationale FC, rehefa nandresy ny FC Valahara, tamin’ny isa mazava, 4 no ho 0. Nanjaka ny fahaiza-manaon’ireo mpilalaon’ny zandary. Satria, teo am-pialantsasatra dia efa nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo. Niezaka nanohitra ny FC Valahara teo amin’ny tapa-potoana faharoa, saingy tsy tafavoaka fa mbola ny GNFC indray aza no nanampy baolina roa ka nahatonga ny isa ho 4. Tsiahivina fa ny 8 novambra 2025, nanombohan’ny fifaninanana, klioba 16 no nifanandrina tamin’izany. Tanjona ny hahatafidirana ekipa iray indray ankoatra ny Disciples FC hifaninana ao anatin’ny “Pureplay football league (PFL)”, amin’ny taom-pilalaovana manaraka, ho an’ny kaonferansy atsimo, araka ny nambaran’i Fidy Andriantomponera, filohan’ny ligin’i Vakinankaratra. Nanatrika ny lalao ny jeneraly kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, izay nilaza fa hanaraka ny dian’ny GNBC (basikety) sy ny GNVC (volley) ny GNFC (baolina kitra). Hisy ny fanatsarana ny rafitra sy ny fitantanana ary ny handraisana mpilalao vaovao hanatevina ny efa eo.
Fitia Randria




