Nanokatra ny fanamarihana ny faha-45 taona niorenany ny CEG Ivato, ny faran’ ny herinandro teo. Tamin’ izany no nanaovan’izy ireo antso avo amin’ny filoham-pirenena ny hamitana ny fotodrafitrasa vaovao sy ny fanavaozana izay nampanantenainy tamin’ny taon-dasa. Efa tena tranainy ny fotodrafitrasa amin’izao fotoana. Nilaza ny talen-tsekoly fa efa tandindonin-doza ireo […]
Mois : mars 2023
Teknika famonoana afo : mpivarotra hani-masaka 82 nahavita fiofanana
Niofana mikasika ny teknika famonoana afo sy ny vonjy taitra mila hatao rehefa sendra loza ireo mpivarotra sakafo masaka eto Antananarivo Renivohitra. Nanofana azy ireo ny ekipa avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana, nampahafantatra ny tokony hatao mandritra ny loza. Nandritra ny 4 andro ny fiofanana mba hanomanana tsara […]
SENVH : ho vita ao anatin’ny telo volana ny tetikasa Teleferika
Efa am-perinasa ny Teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto amintsika. Efa tomombana ny lafiny teknika rehetra ary mizotra amin’ny tokony ho izy ny asa. Nidina tetsy Anosy nijery ny fizotran’ny asa fametrahana ny teleferika ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, omaly. Eo no hipetraka […]
Kolikoly: Very vola ny fanjakana amin’ny volamena
Tsy mazava ny fitrandrahana volamena eto Madagasikara, araka ny fahitan’ny Tranparency International azy. Raha ny fanadihadiana natao, dia sehatra iray anjakan’ny kolikoly sy varo-maizina ny volamena, ary mahafatiantoka ny fanjakana, satria “olom-panjakana ambony ihany no tompon’antoka amin’izany”. Tsy takona afenina intsony ny fisian’ny risoriso amin’ny varotra volamena. Rabenandrasana Clément, iray […]
Toekarena – SIAE : hiavaka ny fihaonan’ny mpisehatra rehetra eto amin’ny Nosy
Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato, ny 1 hatramin’ny 4 jona izao, ny « Salon International des acteurs économiques » (SIAE). Andiany faharoa ny hetsika, karakarain’ny Riano Agency. Hiavaka ny fihaonan’ny mpisehatra ara-toekarena rehetra eto amin’ny Nosy mandritra izany. Fotoana iray hampisondrotana azy ireo amin’ny lafiny tsara kokoa. Hamaritana soritr’asa hamahana ireo olana […]




