Mois : mars 2023

Taninketsa indostrialy : vita ny fanodinana tantely any Mahajanga

Vita tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fananganana orinasa fanodinana tantely any Mahajanga, ao anatin’ny tetikasa distrika iray, orinasa iray (Odof). Natolotry ny minisitra misahana ny varotra, Razafindravahy Edgard izany tao amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria (CCI) any an-toerana. Tantely kendrena amin’ izany ny ho afaka amidy eto an-toerana sy […]

Faritra Vatovavy : tsy mionona fotsiny amin’ny fambolena

Voadona mafy ny faritra Vatovavy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, fa talohan’izay efa nisy ny Cheneso, tamin’ny janoary 2023 namely ny faritra. Tandindonin-doza ny faritra amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Efa olona amana hetsiny maro no tratran’ny tsy fahampian-tsakafo, ny faran’ny taona 2022, mbola nampian’ny rivodoza tamin’ ny fiandohan’ity taona ity, vao mainka […]

Andron’ny ala : asongadina ny fahombiazana

Nitsangana ny vovonana iraisan’ireo mpisehatra amin’ ny faritra arovana eto Mada­gasikara. Ankalazaina anio ny Andro maneran-tany ho an’ny ala. Manome lanja manokana ny fahombiazana eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny ala ity vovonana ity, miampy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra, mba hisian’ny firoboroboan’ny toe­karena maharitra eto Madagasikara. Hasongadina ao anatin’ […]

Fahasimban’ny natiora: 15 000 ny karazam-biby ahina ho lany tamingana maneran-tany

Manodidina ny 15 000 ny karazam-biby ahina ho lany tamingana maneran-tany, raha ny fikarohana nataon’ny UICN (Union Internationale pour la conservation de la na­ture) tamin’ny 2022. Maha­tratra 70% ny taham-pihenan’izany nanomboka ny taona 1970 hatramin’izao. Ani­san’ny misedra olana ihany koa i Madagasikara. Toy ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahasimban’ny toeram-ponenan’ny zava-mananaina… […]

Maevatanana : Sinoa miisa telo nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany Marokoro

Maro ny fitrandrahana gaboraraka ny harena ambanin’ny tany eto amintsika. Manamarina izany ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any Maevatanana, nahatraran’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany mpitrandraka vahiny tao amin’ny reniranon’i Kamoro, any amin’ny kaominina Marokoro. Nidina ifotony tany amin’ny faritra Be­tsiboka ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny […]