Nikorontana ny fiarahamonina tao amin’ny fokontany Tambohomandrevo-Fianarantsoa, omaly hariva. Nanafika tokantrano iray tra-pahoriana ny jiolahy roa lahy nirongo zava-maranitra tokony ho tamin’ny 4 ora sy fahefana teo. Niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo mpanafika ka nikendry ireo fao-dranomaso an’ireto tompom-pahoriana. Nanohitra anefa ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa […]
Mois : mars 2023
12 andro aty aoriana… : hita ihany ny fatin’i Sefo Sedrick Nantenaina
Efa 12 andro aty aoriana, hita ihany ny vatana mangatsiakan’i Sefo Sedrick Nantenaina rehefa nanaovana tagnamaro ny fikarohana azy. Ny 8 marsa 2023 lasa teo izy no tra-doza rehefa niampita radier nihazo an’Ivohibe, niaraka tamin’ny lehiben’ny distrikan’ Ivohibe. Nisy ny fifanomezan-tanana teo amin’ny zandary sy ny fokonolona tamin’ny fikarohana ny […]
Lalamby Ampefiloha : jiolahy tratra teo am-panendahana vehivavy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny hery vonjitaitran’ny polisim-pirenena (FIP) teo amin’ny lalamby Ampefiloha, afakomaly ny jiolahy raindahiny iray mpanao sinto-mahery. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’io fotoana io no nahitan’izy ireo vehivay iray niantso vonjeo fa nisy nisintona ny findainy. Raha ny nisy teny an-toerana, lehilahy iray monina tsy […]
Ambalamanasy : ady tany niafara tamin’ny fifandonana, nandratrana olona
Raikitra indray ny fifandonana tao Ambalamanasy Toamasina, ny alahady maraina teo, momba ny raharaha ady tany miseholany any an-toerana. Voalaza fa tsy misy fiafarany mihitsy ny raharaha ady tany ao Toamasina. Tsy misy fanapahan-kevitra matotra raisin’ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina II sy ny prefet ary ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina II, […]
Namono vady : noleran-drangahy antsy ny kibony avy eo
Disadisa tonga hatramin’ny vono olona. Raim-pianakaviana iray namono tena rehefa avy nifamaly sy namono an-dramatoa vadiny omaly, tany Andapa. Tranga mampalahelo. Niteraka resabe teo anivon’ny fiarahamonina ilay tranga niseho tao Ambodifamba, distrikan’Andapa. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona no namono tena rehefa avy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny vadiny. […]




