“Ny rafi-pifidianana sy ny rafi-panjakana no tsy mety, mahatonga an’izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao. Tsy azo tohizana intsony izany ary tokony tsy ho azo leferina”, hoy ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, teny Alarobia, omaly, momba ny hahatongavan-dry […]
Mois : mars 2023
Na nivoaka aza ny mpanohitra… : tsy voatohintohina ny dinika notarihin’ny Ceni
Tsy nanakana ny firosoan’ny dinika teo anivon’ny Ceni ny nivoahan’ny mpanohitra ny efitrano, omaly teny Alarobia. Voaresaka ny dingana samihafa momba ny fitsirihana ny rindrambaiko. “Hanao ny fitsirihana ireo dingana nenti-nanatanteraka ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy no anton’ny fivoriana. Ny rindrambaiko ampisaina amin’izay no niarahana nifanakalo hevitra amin’izay […]
Fitsirihana rindrambaiko : nivoaka ny efitrano fivorian’ny Ceni ny mpanohitra
“Tsy feno hatramin’izao ny fepetra hanatanterahana ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny fanambaran’ny vondron’ ny mpanohitra talohan’ny nivoahan’izy ireo ny efitrano fivoriana teny Alarobia, omaly, mialoha ny fandinihana izay dingana sy fomba hanaovana fitsirihana ny rindrambaiko ampiasaina amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Anisan’ny nanao sonia izany […]
Lian-dra !
Tankina tanteraka, tsy misy ambara, mahita ny fitotongan’ny fiarahamonina malagasy, ankehitriny. Tsy hiteny izay vidim-piainana intsony, fa leo mitoriteny an’efitra. Andeha horesahina ny tontolon’ ny fanabeazana tanora amin’ny ankapobeny. Antony ? Tsy azo hodian-tsy hita ny firongatry ny herisetra, sy fidorohana, ary vono olona miseholany ao Toamasina. Nipoitra tao anaty fotoana […]
Fikambanana Liandra Mahery : mihorohoro ny mponina
Mampihoron-koditra ny zava-misy ao Toamasiana. Tsy mbola nisy hatrizay ny fijoroan’ izany fikambanan-jatovo maditra na Fikambanana Liandra Mahery(FLM) izany. Mihorohoro izaitsizy indray ny mponina ao Mangarivotra Toamasina nanomboka ny zoma, ny sabotsy nitohy hatramin’ny alahady teo. Olona telo no efa naratra mafy tao anatin’izay telo andro izay noho ny fisian’ireo […]




