Mois : mars 2023

20 andro vao navotsotra : nosandaina 70 tapitrisa Ar izy telo mianadahy

Nilaza ho nandoa 70 tapitrisa Ariary ny fianakaviana! Avotra soa aman-tsara, izy telo mianadahy takalonaina tao Morarano Chrome, Andilamena, 20 andro taty aoriana. Votsotra teny am-pelatan’ireo dahalo mpaka an-keriny ireo telo mi­anadahy nalaina an-keriny tao Ambohimanarivo-Morara­no Chrome, distrikan’Amparafa­ravola. Hita omaly tokony ho tamin’ny 7 ora maraina tany anelakela-tendrombohitra tao Maizinandro, […]

Tselatra

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nodomin’ny fiara teny By-Pass, omaly. Fiara iray nandeha mafy no nifaoka ilay niharam-boina. Lasa nitsoaka anefa ilay fiara. Nanao izay ho afany ihany ny olona teo amin’ny manodidina nahita ny loza saingy tsy nahazo ny laharan’ity fiara namoa-doza ity.   Manao ny ataony koa […]

Nitazona entana halatra: jiolahy nidoboka am-ponja ao Ambalatavoahangy

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina, afakomaly, ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fitazonana entana halatra. Nahazo loharanom-baovao ny polisy, ny 10 marsa 2023 tolakandro, fa misy jiolahy roa mampiahiahy nandeha moto Jog nanitrika sy nametraka kitapo eo Ambodipont, Ankirihiry Toamasina. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy […]

CUR Vontovorona: nidoboka am-ponja ilay nisandoka ho lietnà

Nofitahiny hatramin’ny fianakaviany, tra-tehaka ihany ny lehilahy iray nisandoka ho Lietnà, tetsy Vontovorona, ny herinandro lasa teo. Naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nisandoka ho manamboninahitra an-taonany maro, afakomaly. Nanomboka ny taona 2013, nitonon-tena ho Lietnà teny amin’ny fokontany Antanety II, Vontovorona izy. Ny 9 marsa teo, nanakana fiara an’ny kolonely […]