Mois : mars 2023

FMI : niakatra 11,5% ny vidim-piainana

Nilaza ny solontenan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), Mokhtar Benlamine, ny alatsinainy teo, fa niakatra ho 11,5% ny fidangan’ny vidim-piainana eto Madaga­sikara ny janoary 2023, raha 10,8% ny desambra 2022. Nambarany fa, anton-javatra maro no mahatonga izany, toy ny fiantraikan’ny ady any Ukraine amin’ny lafiny toekarena maneran-tany. Niakatra ny vidin-javatra ankapobeny eo […]

Trafikana zavamananaina : maherin’ny 30.000 ny sokatra tratra naondrana antsokosoko

Manao tatitra isaky ny roa taona ny fikambanana iraisam- pirenena miaro ny tontolo iainana, WWF, mikasika ny tontolon’ny biby sy ny zavamaniry dia. Voalaza fa tsy mitsahatra ny miha ratsy ny zava-misy maneran-tany. Nosinganin’ny WWF fa mirongatra ny trafika, ka isan’izany ny karazan-tsokatra sokake (Astrochelys ra­diata) eto Madagasikara sy maneran-tany. […]

Tontolo iainana : efa hatramin’ny andron’ny fahampanjaka ny fiarovana ny ala

Efa tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) no nampiharina voalohany teto Madagasikara ny poilitika momba ny fitantanana ny ala, indrindra ny fandrarana ny afo.Tsy mitsahatra mitatitra vaovao momba izany ny mpanao gazety misahana ny tontolo iainana (AJE). Tsy azo ataotao foana ny fikapana ala toy ny hanaovana trano, ary tsy karazan-kazo […]

Fitsarana Toamasina : mitombo ny antontan-taratasin’ady tsy voatsara taona 2022

Voalazan’ny tatitry ny fitsarana, anatin’ny fari-piadidiam-pitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, manana rantsamangaikam-pitsarana ambaratonga voalohany enina (Toa­masina, Vato­mandry, Amba­ton­drazaka, Moramanga, Ma­roantsetra, Fenoarivo Atsina­nana), samy anatin’ny faritan’i Toamasina, fa tsy misy afa- tsy 793 ny antontan-taratasin’ady momba ny ady heloka bevava voatsara, ny faran’ny taona 2021. Mitotaly 2 661 ny antontan-taratasin’ady notsaraina ny taona […]

Mahavalalanina !

Mbola manjavozavo tanteraka ny resaka fifidianana izay ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, hatramin’izao fotoana izao. Tsy hay mazava ny tena tian’ireto mpanao politika hahatongavana. Marina, efa mandeha ny fitetezam-paritra etsy sy eroa. Misy ny kivorivory avy amin’ny ankolafin-kery isan-karazany, saingy mbola tsy mamaha ny firoaroavan-tsaina misy eo amin’ny vahoaka malagasy izany. […]