Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitady hifangaro be ihany ny asan’ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika sasany. Aiza ho aiza? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny firaisamonina sivily mpisehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana, ny mpandrindra nasionalin’ny fikambanana Andrimaso, Rahantasoa Florence: “Fanabeazana sy fanentanana ary fanaraha-maso ho an’izay misehatra amin’ny fifidianana, […]
Mois : mars 2023
Jazz Club CGM/GZ : raikitra ny « Jazz Fiderana »
Isaky ny alahady faha-3 ao anatin’ny volana, manatanteraka ilay hetsika momba ny jazz ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, Tohatohabaton’ Antaninarenina ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Ho an’ity volana marsa ity, nisafidy ny Fiangonana FJKM Ambohipotsy ry zareo hanatontosana ny « Jazz Fiderana ». Hira fiderana sy hiram-pivavahana, hanana « endrika » somary jazz […]
Hotohizana ny seho… : hiaka-tsehatra lehibe ny Quatuor Squad
Hanatanteraka ny fampanantenana nataony ny Quatuor Squad. 14 marsa 2023, nahasarika olona maro be ny fampisehoana nataon’izy efatra mirahalahy niaraka tamin’i Tohy Ramaroson (contrebass), tao amin’ny Institut français de Madagascar, etsy Analakely. Taorian’io : « manome toky anareo izahay fa hanatanteraka seho any amin’ ny sehatra lehibebe kokoa », hoy ny Quatur Squad. […]
Sokaf’hehy : maka toerana ny Stand-up
Tontosa ny alarobia 15 marsa 2023, teny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ny hetsika “Sokaf’hehy”. Ny vondrona Sandix no mikarakara ny hetsika miaraka amin’ny mpanao Stand-up. Eo ihany koa ny CGM, izay miara-misalahy amin’ny rehetra ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fitaizana ny tanora. Tanjon’ny mpikarakara ny hetsika, amin’ny ankapobeny […]
Kolontsaina maroloko : hiverina indray ny “Festival Miaraka”
Hisy indray ny hetsika anisan’ny manana ny maha izy azy, ahafahan’ny mpahay kanto sy mpandala kolontsaina samihafa miara-maneho ny kantony sy ny kolontsaina amina fotoana iray. Tafaverina ny hetsika rehefa tsy nisy tao anatin’ny fotoana vitsy, tokony hisiany. Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 8 avrily 2023, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba […]




