Miisa 5 ny fifaninanana ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fanamoriana fiarakodia (rallye) ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny volana mey ho avy izao izany ka hisantatra azy ny an’ny klioba FMMSAM. Ny volana jona kosa, ny “Rallye international de Madagascar” (RIM), izay […]
Mois : mars 2023
Basikety – « Mondial 2023 »: miray vondrona ny ekipa amerikanina sy ny Ankoay
Vita omaly ny antsapaka ho an’ireo ekipa 16 hiatrika ny “World Cup 2023” any Hongria, ho an’ny taranja basikety, sokajy U19. Miray vondrona amin’ny Malagasy ny ekipan’i Etazonia, mpanjakan’ny basikety. Ho gidragidra ny lalao rehetra miandry ny Ankoay U19. Fantatra nandritra ny antsapaka natao tany Debrecen Hongria, omaly, fa miray […]
Fiovan’ny toetr’andro: mihena 9 kilao sisa ny vokatra kafe
Nijoro vavolombelona Rtoa Mizabety Lucienne, mpamboly kafe, filohan’ny kaoperativa Kafe Arabika Ampefy Itasy (KKAAI), teo anoloan’ny mpianatry ny sekoly ESD. Nambarany fa miantraika any amin’ny fambolena ny fiovan’ny toetr’andro, ka anisan’izany ny kafe. Mila rano ny kafe arabika, nefa tsy ampy ny orana. Lasa mavomavo ny raviny, sady misy holatra […]
Faritra Atsimo Andrefana : hananganana orinasa fanodinam-bokatra lehibe
Notoloran’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, fiara tsy mataho-dalana miisa 4 ny tetikasa PTASO*, hampiasaina amin’ny fametrahana ilay orinasa fanodinam-bokatra lehibe any Atsimo Andrefana. Efa manomboka ny fanatanterahana io tetikasa io amin’ny alalan’ny fanadihadiana ifotony momba ny fametrahana ny faritra fanodinana ny vokatry ny tantsaha ho lasa vokatra ho azo jifain’ny mponina […]
Varotra anatiny : efa niasa avokoa ny 85 % amin’ny fiara
Tsy mitsahatra miroborobo ny varotra fiarakodia efa niasa avy any Eoropa tonga eto Madagasikara na eo aza ny krizy isan-karazany. Tamin’ny fotoanan’ny Covid, ohatra, ny fanafarana no nihena na nitsahatra, araka ny firenena niaviany fa ny varotra nandeha ihany teto an-toerana na somary nihena aza. Nisy fotoana nitombo 41 % […]




