Nisy famelabelaran-kevitra mikasika ny tontolo iainana ho an’ny mpianatry ny Sekoly ambony momba ny zo sy ny siansa politika (ESD) eny Nanisana, omaly. Nifantoka tamin’ny hoe « fiovaovan’ny toetr’andro : ny zava-misy sy ny fanamby ho an’i Madagasikara ». Maromaro ireo manam-pahaizana avy eto Madagasikara sy avy any ivelany nandray anjara tamin’ny famelabelarana […]
Mois : mars 2023
Rivodoza Freddy : hiverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika
Hiverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika afaka hateloana indray ilay rivodoza Freddy. Mangatsiaka ny maripanan’ny ranomasina ao ka heverina fa tsy hitombo hery izy, hoy ny teknisianina ao amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Arahi-maso ihany ny fivoarany sy ny mety ho fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto amintsika. Ny […]
Akademia Miaramila : manao fizaham-pahasalamana ireo mpifaninana
Niatrika ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho manamboninahitra amin’ny andiany mivantana faha-46 sy andiany manokana faha-26 ireo afaka tamin’ny dingana voalohany, ny 6 ka hatramin’ ny 10 marsa lasa teo. Nidina any amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe ny talen’ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) […]
Tsena Tsimialonjafy : hokarakaraina ny taratasin’ireo mpivarotra hampamarin-toerana azy
Omaly, nidina teny Ampasapito, nitsidika ny tsena tsimialonjafy indray ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina sy ireo mpiara-miasa aminy. Nihaino mivantana ny hetahetan’ireo mpivarotra ny tenany ary nankahery azy ireo amin’ny fiatrehana ny fiainana. Novalian’ny ben’ny Tanàna avy hatrany ny fanirian’ireo mpivarotra eny an-toerana. Nambarany fa ho laharam-pahamehana ny fikarakarana ny […]
Fifindra-monina : melohin’ny OIM ny fiondranana tsy ara-dalàna
Mitohy hatrany ny ezaky ny tomponandraikitra ny amin’ny fampanarahan-dalàna sy fandavorarina ny fifindra-monina sy fivezivezena. Tsy ekeny ary toheriny, indrindra ny fikambanana iraisam-pirenena, ny tsy fanarahan-dalàna rehetra ao anatin’izany. “Efa hatramin’ny taona 2020 no nisian’ny fikasana hifindra monina ho any amin’ny Nosy Mayotte, avy aty Madagasikara. Misy no tafiditra antsokosoko […]




