Mois : mars 2023

« Tsara hira tsara mozika »: hisy ny fifaninanana mihira gadona bagasy

Tsy matetika ! Saika takona any ambadiky ny hafa hatrany ny bagasy. Iray amin’ireo vahaolana hialana amin’io tranga io ny fanatanterahina fifaninanana. Hanatontosa izany avy hatrany ny Sehatra bagasy. Fanamby napetraky ny mpitantana vaovao eo anivon’ny Sehatra ba­gasy ny hanohy sy hampivelatra, araka izay tratra, ireo ezaka efa natao teo […]

Zakahely Boniface momba ny fifidianana : “Tsy azo eritreretina hoe tsy misy vola ny fanjakana”

“Tsy azo heverina ny hoe tsy hisy vola hanatanterahana fifidianana ny fanjakana”, hoy ny depiote teo aloha, i Zakahely Boniface. Tamin’ny fitondrana tany aloha, volan’ ny fanjakana no nanatanterahana fifidianana ary tsy naka vola tany ivelany. Amin’ny ankapobeny, tsy afa-miala ny fitondram-panjakana raha manaraka ny lalàmpanorenana. Tokony hisy fifidianana roa […]

Tale kabinetran’ny Prezidansa : hametraka fomba fiasa vaovao

Nandray ny asany omaly, taorian’ny famindram-pitan­tanana ny talen’ny kabinetra vaovao eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Andrianarisoa Romy. Nambarany tamin’izany fa anisan’ny laharam-pahamehany ny hametraka fomba fiasa vaovao hamitana ny ve­lirano rehetra. “Hiara-kiasa amin’ ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny governemanta izahay hanatanterahana ireo”, hoy izy. Hiompana amin’ny angovo, ny fahavitan-tena eo […]

Fisorohana ny ahiahy amin’ny fifidianana : hotsirihin’ny OIF mialoha ny rindrambaikon’ny Ceni

Hanala ny ahiahin’ny maro ? Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, omaly, teny Ambohimana­rina fa handalo fitsirihana na « audit » ny rindrambaiko sy ny fikirakirana ara-kajimi­rindra entin’izy ireo mikira­kira ny fifidianana. Hisahana izany ny eo anivon’ny Fran­kofonia (OIF) ka hanomboka amin’ny herinandro ny fitsirihana. “Hampahafantarina ny rehetra ny ho […]