Manjaka tanteraka amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espaina na Liga F ny FC Barcelone (FCB), vehivavy. Araka ny hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, fandresena hatrany no azon’ ny FC Barcelone, nandritra ny lalao 20. Miisa 89 ny baolina tafiditr’izy ireo hatramin’ izao, ary nidirana baolina 4. Eo amin’ny laharana […]
Mois : mars 2023
Rugby vehivavy – «Can 2023» : mpifanandrina voalohany amin’ny Makis i Kenya
Araka izay efa nambaran’ ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby, hatao eto Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 “Can 2023”. Hotontosaina ny 18 ka hatramin’ny 29 mey ho avy izao, izany fihaonana izany. Tsiahivina fa firenena efatra no hiady lohany amin’izany dia ny […]
Fifanintsanana “Mondial 3×3”: iray vondrona amin’i Aostralia ny Malagasy
Hotanterahina afaka roa volana any Israel, ny lalao sakana hahazoan’ny Ankoay vehivavy tapakila, hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany basikety 3×3. Ekipa 6 no hifaninana amin’izany ka nozaraina vondrona roa. Ao amin’ny vondrona A miaraka amin’i Repoblika Tchèque sy i Aostralia no vondrona misy an’i Madagasikara. I Israel, i Suisse […]
Lalaon’ny Nosy 2023: mety tsy handray anjara amin’ny tsipy kanetibe ny Malagasy
Noho ny sazy mianjady amin’ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara, mety tsy ho afaka handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy na JIOI 2023, hatao eto amintsika, ny ekipa tsipy kanetibe malagasy. Tsy voavaly ny fitakian’i Claude Azema, filoha iraisam-pirenena, taranja tsipy kanetibe. Manahy ny tsy hisian’ ny taranja tsipy kanetibe amin’ny […]
Fiverenan’i Freddy : tafakatra 10 ireo olona namoy ny ainy
Mahatratra 10 ireo olona maty teto amin’ny Nosy noho ny fiverenan’i Freddy, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza (Bngrc), omaly. Iray tao Bekily. Roa avy ao Ampanihy Andrefana. 3 tao Morombe ary 4 tao Toliara II. Mahatratra 3 ireo olona tsy hita popoka […]




