Mois : mars 2023

Fikambanana Destiny Ivato : vehivavy sahirana 400 nizarana fanampiana

Fizarana fanampiana ho an’ireo renim-pianakaviana sahirana tao amin’ny kaominina Ivato no nanamarihan’ny fikambanana Destiny ny An­dron’ny vehivavy, omaly. Fi­kambanana tarihin-dRamatoa Randrianarisoa Hoby, vadin’ ny ben’ny Tanàna miantsehatra amin’ny asa sosialy sy ny fitsimbinana ny sahirana. Hisitraka asa ihany koa ireo vehivavy anjatony vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpanohana hatrany. Fiaraha-miasa […]

Fanamarihana ny andron’ny 8 marsa: nosakanan’ny Emmo/Reg ny hetsiky ny vehivavy Tim

Tsy mbola afa-bela raha mbola etsy Behoririka ? No­sakanan’ny Emmo/Reg, tsy afaka naneho ny fanamari­hana ny andron’ny 8 marsa ireo vehivavy eo anivon’ny Tim Analamanga, omaly. Nikasa ny hankalaza izany tetsy amin’ ny Magro Behoririka izy ireo saingy izao tsy tanteraka izao. Efa niatrana vao maraina teny an-toerana ireo mpitandro […]

Fanendrena loholona vaovao: haka fanapahan-kevitra lehibe ny filoha Rajoelina

Efa nankatoavin’ny eo anivon’ny HCC, ny fiandohan’ny herinandro teo, ny fahabangan-toerana iray ao amin’ny Antenimierandoholona noho ny nanendrena ny loholona teo aloha, Randriamanante­nasoa Landy ho minisitry ny Fitsarana. Navoitran’ny etsy Ambohidahy amin’izany fa anjaran’ny filohan’ny Repo­blika ny manendry ny mpisolo toerana, eo anivon’io An-drimpanjakana io. Midika izany fa haka fanapahan-kevitra […]

Fitantanana sy andraikitra: manentana ny tanora hanana faharetana i Ndremitsara Tarzan

Iza izy ? Ndremitsara Jean Baptiste Tarzan. 42 taona ary manan-janaka telo mianadahy. Anisan’ny sakafo tiany ny ganagana. Fialambo­liny ny mozika miaraka amin’ ny gadona mafana “Tropical” sy ny salegy. Tia baolina kitra sy “Box Française”. Anisan’ny nanamarika ny fiainany ka nahafaly azy ny nahatafidirany ho mpiasa ao amin’ny Ivontoeram-pirenena […]

Fitsarana Antananarivo : tsy misy fandraisana olona anio sy rahampitso

Noho ny fisian’ny fotoam-pitsarana amin’ny fanombohan’ny raharaham-pitsarana, taona 2023, eto amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo, ho an’ny firaketan-draharaha : tsy misy ny fandraisana olona anio sy rahampitso, araka ny nambaran’ny lehiben’ny firaketan-draharaha, fitsarana ambaratonga voalohany, Antanana­rivo, ny Me Herinatrehana Inham Ella, teny Anosy, afakomaly. Ao anatin’izany ny fitsa­rana ambaratonga voalohany rehetra […]