Taorian’ny nanolorana azy teny anivon’ny fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika ny mpangalatra jiro manazava ny arabe mihazo an’iny kaominina Fenoarivo iny, afakomaly. Nahatrarana gony iray ity lehilahy ity rehefa nifanena tamin’ny zandary nanao fisafoana eny an-toerana, ny zoma 3 marsa teo. Natao ny fisavana izany gony izany kinanjo jiro avokoa no […]
Mois : mars 2023
Vono olona tao Canada… : jiolahy iray maty voatifitry ny FIP
Lavon’ny balan’ny polisin’ny FIP tao amin’ny cité Canada Toamasina, afakomaly hariva, ny jiolahy iray isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana namoizana ain’ olona tao an-toerana. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana nahafatesana teratany vahiny iray tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Niroso tamin’ny fanadihadiana sy ny angom-baovao avy hatrany ny polisy ka fantatra fa mihaodihaody […]
Fitsaram-bahoaka : jiolahy voadaroka teo am-pibatana tele sy ordinatera
Saika namoy ny ainy! Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray namaky trano teny Ambohipo, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) izy noho ity vaky trano nataony ity. Nahazo antso ny polisin’ny CSP2 fa misy trangana vaky trano eny amin’iny faritra Ambohipo iny. […]
Fenoarivo Atsinanana : vola 6 tapitrisa Ar levon’ny afo
Nitrangana haintrano indray tao amin’ny fokontany Andranovola Fenoarivo Atsinanana, omaly atoandro. Trano lehibe dimy feno entam-barotra niaraka tamin’ ny jirofo ary tranohazo ireto hotohoton’ny afo ireto. Voalazan’ny tompon-trano iray fa lelavola 6 tapitrisa Ar no lasa lavenona tsy avotra intsony. Afo niainga tamin’ny afon-kitay nandrahoana sakafo tao an-dakozia no nitarika […]
Fitokonan’ny mpianatra : zandary roa naratra teny Vontovorona
Raikitra indray ny savorovoro niafara tamin’ny fifandonan’ny mpianatry ny ESPA Vontovorona sy ny mpitandro filaminana, omaly. Zandary roa naratra notifirin’ny mpianatra tamin’ny filesy… Maraina hatramin’ny tolakandro indray ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatr’i Vontovorona ESPA, omaly. Naratra vokatry ny tifitra filesy nataon’ireo mpanao fihetsiketsehana ny zandary roa anisan’ireo nandamina teny an-toerana. Naneho […]




