Mois : mars 2023

CUA – Hanalana hamohamo… : hotanterahina eto Antananarivo ny « Festival Explosion de rire »

Amin’izao vanim-potoana izao, maro ireo vesatra mahazo ny sain’ny tsirairay. Covid-19, tsy vitsy ireo nahazo vokatra ratsy avy tamin’io valanaretina io… Izany rehetra izany no anisan’ny hanatanterahana ny « Festival Explosion de rire ». Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Re­nivohitra (CUA), ny masoivoho soisa eto Madagasikara, ireo Malagasy […]

Teny momba ny filohan’ny Fizafafi : niala tsiny tamin’ny filohan’ny Antenimiera i Kaleta

“Ny nivorianay tao: nilamina ny anay mianadahy, izaho sy ny filohan’ny Ante­nimierampirenena. Misy ny fifankahazoana. Nifanazava sy nifamela izahay”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repo­blika sady filohan’ny antoko Liarake, i Soja Jean André na i Kaleta, ny amin’ny fihaonana teo aminy sy ny filohan’ny Antenimierampirenena sady filohan’ny fikambanana Fiza­fafi, […]

Fidirana ho mpikamban’ny Ceni : tsy mbola mipetraka ny lalàna…

“Tsy mbola misy lalàna manome lanja na hasina an’izay fitakian’ny mpanohitra izay. Koa tsy hita izay hampiharana azy”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriama­rotafika Soava, teny Alarobia, omaly, manoloana ny fita­kian’ny mpanohitra hiditra ho anisan’ny mpikamban’ny Ceni amin’ny fikarakarana fifidianana. Ndeha àry hoekena, ohatra, izay fitakiana izay amin’izao, antoko politika 200 […]

HVM : “Misy tokony hohatsaraina ny lalàm-pifidianana”

“Izay hatrany no noresahina hatramin’izay. Misy zavatra tokony hohatsaraina ao. Misy tokony hojerena amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny fomba hanatanterahana azy, ny fangaraharana amin’ny vola… “, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, nampahatsiahy ny fihaonana teny Iavoloha, tamin’ny faran’ny herinandro, teo amin’ny so­lontenan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto […]

Fifidianana ben’ny Tanàna : mitaky ny hanajana lalàna ny MMM

Nandefa taratasy fampahatsiahivana any amin’ny praiminisitra ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny febroary teo. Hentitra sy nahitsy ny fitakian’izy ireo ny amin’ny tokony hanarahana ny lalàna. Niantso ny governemanta izy ireo hanao ny hahatomombana ny amin’ny famatsiam-bola hiatrehana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina, amin’ity taona ity. Voalazan’ ny […]