Mois : mars 2023

Fanahiana krizy politika : miantso fikaonandoha maika ny firaisamonina sivily

Namoaka fanambarana, omaly, ireo eo anivon’ny fiarahamonina sivily. Nivoitra tamin’izany fa efa anatin’ny taom-pifidianana isika izao. Nametraka ny ahiahiny anefa izy ireo fa tsy ho azo antoka ny ho fizotr’izany. “Manaitra ny ma­nampahefana sy ny besinimaro ny firaisamonim-pirenena mom­ba ny tokony hanatanterahana maika ny fifanakalozan-kevitra. Iaraha-mahalala fa mbola tsy afaka […]

Voly First Immo : hisitraka ny tetikasa ny mpianatra 18 000

Nozaraina tamin’ny mpi­anatra 400 teo anivon’ny EPP Antanimena I indray ny vokatra azo avy amin’ny tetikasa iarahan’ny CUA sy ny First-Immo, omaly. Na­mokatra katsaka 238 kg ity sekoly ity tamin’ny alalan’ny fanatontosana io tetikasa io. Nositra­han’ireo mpianatra araka ny lamina efa na­petrak’izy ireo izany. Raha tsiahivina, miala voly sady mianatra […]

Lahy sy vavy miara-mientana no izy !

Mankalaza ny andro maneran-tany natokana hoenti-miady ny zon’ny vehivavy isika anio. Makotrokotroka ny fankalazana, tanatin’ny andro maromaro izay, teto an-drenivohitr’i Madaga­sikara. Nanao angaredona ireo minisitera voakasiky ny fankalazana, indrindra fa ny entim-biavy. Tsy nahatsiaro tena ho vizaka ny vadin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fanenje­hana sy fanomezam-boninahitra ny rahavaviny sy ny […]

Fakana an-keriny: jiolahy valo, maty voatifitry

11 andro aty aoriana, tsy mbola navotsotr’ireo mpaka an-keriny izy telo mianadahy. Nihena ho 50 tapitrisa Ar ny sandan’ny takalonaina. Maty voatifitry ny zandary ny valo amin’ireo olon-dratsy tao Morarano Chrome. Mitohy hatrany ny “opération Ha­ra­to”, ataon’ny mpitandro filaminana ao amin’ny distrikan’Amba­tondra­zaka, momba ilay trangana fakana an-keriny tao Ambohima­narivo. Tafa­katra […]

Fandrobana indroa nisesy : voaroba ny vola aman-tapitrisa maro

Mirongatra ny tsy fandri­ampahalemana! Notafihan’ny dahalo efa-dahy nirongo basy ny tranona mpandraharaha iray tao Morafeno, distrika Soani­e­rana Ivongo. Ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo olon-dratsy. Tsy vitan’ny nandrahona ny jiolahy fa nanapoaka basy ihany koa. Vokany, voatifitra teo amin’ny tongony ilay […]