Mois : mars 2023

Slam Mastering Contest : mitarika vonjimaika i Sensei

Azon’i Sensei na i Mathieu Aina Sitraka, ny laharana voalohany vonjimaika, taorian’ny fihodinana voalohany tamin’ny “Slam Mastering Contest”, no­tanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. Tamin’ny isa 29.2 no nahazoany izany laharana izany. Raha tsiahivina, mpanao Slam efa matihanina miisa 5 no mifaninana ao anatin’ity fifaninanana ity. Hanentana ireo hetsika Slam, […]

Horonantsary “Fahavalo : zava-dehibe ny fahafantarana ny tantaram-pirenena

Vitsy ny tanora sy ny ankizy no tena mahafantatra ny tantaran’ny tolom-panafahana. Maro ny ezaky ny tomponandraikitra amin’ny fampahafantarana izany, indrindra ny eo amin’ny tontolon’ny horonantsary. Hotontosaina, anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsa­ha­vola, ny fandefasana ny “Fa­havalo”, horonantsary mampahatsiaro sy mitantara ny zava-nisy nandritra ny tolom-panafahana 1947, notontosain’i […]

Tae-kwon-do ITF: 200 mianadahy nanaovana fifantenana

Notanterahina teny amin’ny Fofikri Ilafy, ny sabotsy 25 marsa lasa teo, ny «Best of Analamanga», taranja Tae-kwon-do, nokarakarain’ny ITF Mass (Madagascar Asso­ciation). Hetsika voalohany, ho an’ny taona 2023. Nandray anjara tamin’izany ireo mpikatroka 200 mianadahy mianaka, avy amin’ny klioba Ambohidratrimo, Avara­dra­no, Atsimondrano ary Anta­nanarivo Renivohitra. Nifaninanana, tamin’izany ny Tul (Kata) […]

Basikety-ISPM : hampiray ny tanora amin’ny “Mibala Tournament”

Mankalaza ny faha-30 taonany amin’ity taona ity ny ISPM (Institut supérieur Polytechnique de Madaga­scar). Ho fanamarihana izany, mikarakara fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, izy ireo, izay hatao ny 17 hatramin’ny 24 avrily izao eny amin’ny kianja mitafo Mahamasina. Fifaninanana misokatra hoan’ny mpianatra amin’ny Oniveriste rehetra manerana an’i Madagasikara, ahitana ekipa 15 […]