Mois : mars 2023

Rugby – XXL Top 20 : tsy voatohitry ny FTBA ny 3FB

Nitohy ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rug­by XXL Top 20. Saika voahaja avokoa ny lojika satria nivoaka ho mpandresy avokoa ireo ekipa goavana. Anisan’ izany, ny namontsanan’ny 3FB an-dry zareo FTBA. Tsy voatohitry ny ekipan’Andoha­tapenaka mihitsy ry zareo avy ao […]

Madagasikara 0 – 2 Centrafrique : vita hatreo ny Can 2023 ho an’ny Barea

Tapitra hatreo ny lalana mankany amin’ny “Can Côte d’Ivoire 2023” ho an’ny Barean’i Madagasikara. Resin’ny les Fauves Centrafrique tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa malagasy. Araka izany, tsy hampiova zavatra intsony ny lalao roa ambiny izay hihaonana amin’i Ghana sy i Angola . Nopotehin’ny Les Fau­ves Centrafrique ny […]

Atsimondrano : vita ny CEG sy Lycée manara-penitra vaovao

Zava-dehibe ho an’ny mpianatra sy ny taranaka ao Androhibe Antsahadita, dis­trikan’Atsimondrano, ny fa­ha­vitan’ny Lycée sy CEG vao­vao ao an-toerana. Noto­kanana ny faran’ny herinandro teo izany, izay notarihin’ny governoran’ Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Natsangana ho vaovao mihitsy ny fotodrafitrasan’ny Lycée satria efa tena ratsy ka nanaovana ezaka manokana ho mendrika ireo mpianatra. […]

Toetry ny andro : manomboka ny volon’andro ririnina

Nahatsapa hatsiaka ny mponina amin’ny afovoan-tany andro vitsy nisesy izay. Nilaza ny mpamantatra ny toetr’andro fa hamaritra ny toetry ny andro eto Mada­gasikara ny tsokan’ny Va­ratraza ka haka ny volon’andro ririnina manerana ny Nosy. Rahampitso, efa miraraka ny zavona ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany sy Alaotra Mangoro ny vao maraina. […]

Vovonana nomerika amin’ny CEG 15: nahazo fampitaovana i Taolangaro

Anisan’ireo faritra misitraka ny fampitaovana nomerika ny foibem- pitondram- paritry ny fanabeazam-pirenena, faritra Anosy. Notontosaina tao amin’ny CEG de Référence Taolagnaro ny fanolorana ny fitaovana ahitana “box 1” misy 65 Go isam-bo­lana afaka hampiasana ordinatera 30 sy fanapariahana ny vovonana nomerika vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka Unicef sy orinasa Airtel […]