“Be loatra ny vola angatahin’ny Ceni hanatanterahana fifidianana, ka mila hanaovana fitsirihana. Na omena 1 tapitrisa Ar aza aho, vitako ny fanisana mpifidy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fahefa-mividy ho an’ny Malagasy (FMI-Malagasy), Ratsietison Jean-Jacques, momba ny vola angatahin’ny Ceni hanatanterahana fifidianana. Ny rejisitry ny mponina eny amin’ny fokontany tsirairay […]
Mois : mars 2023
Fakan-kevitry ny Ceni : hotohizana ny dinika
“Tapaka fa tsara ny hitohizan’ny dinika, satria nahitana ny firaisam-po sy ny firaisankinan’ny samy Malagasy. Tena nivoitra izay nandritra ny fihaonana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny dinika fakan-kevitra ho fanatsarana ny zotram-pifidianana izay nanasana ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana. Nahafaly […]
Fitantanan-draharaham-panjakana – Toamasina : nolavin’ny fitsarana ny naoty navoakan’ny Prefet
Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tontolon’ny fitsarana niarahan’ny mpitsara sy ny vadintany ary ny mpisolovava teto Toamasina, ny herinandro teo. Voaresaka ny momba ny naoty navoakan’ny Prefet any an-toerana. Nitarika izany tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ny tonia ambony mpisolo toerana, Ratianarivo Eliasy Edmisy . “Tsy afaka ny hangina izahay manoloana […]
Fivorian’ny filankevitry ny CUA : nitatitra ny zava-bita ny ben’ny Tanàna, A. Naina
Nitatitra ny ezaka vita tamin’ny taona lasa ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly, tamin’ny fivorian’ny filankevitra monisipaly tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna. Anisan’izany ny fahavitan’ny fotodrafitrasa, toy ny tsena Anosy, Coum 67 ha, Behoririka, Zaimaika. Eo koa ny fampidirana ny mpivarotra ao amin’ny sehatra ara-dalàna ka mihoatra ny 20 000 ireo […]
Isika ihany Io !
Mahavalalanina andro aman’alina ny tontolo politika eto Madagasikara. Tsy mbola nisy hatrizay izany hoe resaka manokana an-telefaonina mirakitra tsiambaratelom-panjakana no mivoaka eny amin’ny tambajotran-tserasera izany. Mainka mampivarahontsana ny mahafantatra fa, lasibatra amin’izany ny mpitondra ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Raha izy ireo sy ny serasera ataony no tsy […]




