Mihatsara hatrany ny fitantanana ny hazandrano horita any amin’ny distrikan’Antsiranana II, faritra Diana. Nahatratra 20.000 kilao ny horita azo nandritra ny fotoana nanokafana ny fotoam-panjonoana sady nihatsara koa ny vidiny. Hitarina amin’ny karazana hazandrano hafa, toy ny lamatra sy ny drakaka ny fametrahana fotoam-pikatonan’ny jono ao amin’ny faritra Diana. Nosokafana […]
Mois : mars 2023
Hiragasy : namoaka DVD i Dadalora Mandiavato
Niavaka noho ny fahita hatramin’izay ! Io no nambaran’i Dadafara Lt Production, omaly, nandritra ny famoahana ny rakitsary (DVD) an’ny tarika Dadalora avy any Mandiavato. « Niavaka teo amin’ny fandraisana ny sary sy ny feo ary ny fanatontosana izy ity satria nokajiana fatratra tamina fitaovana tsara kalitao », hoy i Dadafara. Nambarany fa […]
Rakikira vaovao : « Ravitoto », anehoan’i Bolo ny tsiron’ny mozikany…
Vita ihany ! Tsy noteren-ko masaka anefa, fa narahin’i Bolo tamin’ny onjany teny. Nisy “Noana” ireo efa ela niandrasana, kanefa afa-po rehefa avy nianoka ny “Ravitoto”, rakikira voalohan’i Bolo. Tsia, tsy resaka sakafo akory ilay « Ravitoto ». Eny, misy idirany ihany koa anefa… Rehefa noketrehina ela, masaka ny “Ravitoto”, rakikiran’i Bolo voalohany, izay […]
Ratsirahonana Norbert Lala : “Mba hoekena ny voafidy eo”
“Tsotra ny tombontsoa ho azon’ny firenena amin’ny dinika, hoeken’ny rehetra izay filohan’ny Repoblika voafidy eo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanolontsaina eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika sady filoham-boninahitry ny antoko Avi, Ratsirahonana Norbert Lala. Ny tantaran’ny fifidianana teto : nisy voafidy fa tsy eken’ny sasany. Izay nandritra ny fotoana ela. Ny […]
Fijoroan’ny federasion’ny mpanao gazety : “Ahina ho politika ny raharaha Lola Rasoamaharo”
Nijoro, omaly, ny Federasiona iraisan’ny fikambanan’ny mpanao gazety, manoloana ny fisamborana sy ny famonjana vonjimaika ny filoha tale jeneralin’ny La Gazette de La Grande île, i Lola Rasoamaharo. Naneho ny ahiahiny izy ireo ary nanameloka ny fisamborana mpanao gazety, ny fanohintohinana mivantana na ankolaka ny orinasan-gazety. “Manahy izahay fa misy […]




