Efa tena tafiditra tanteraka amin’ny fanomanana matotra ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara, ny 23 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao, ireo rantsa-mangaika rehetra. Niaraka nivory nandinika ny lafiny ara-teknika, ny talata lasa teo, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena sy ny federasiona isan-tsokajiny. Nanatrika ity fivoriana ara-teknika ity teny amin’ny […]
Mois : mars 2023
Malagasy rugby: andrasana ny sazin’ireo ligy dimy
Niatrika ny “Codis” ireo filohan’ny ligy dimy tsy manaiky ny nahalany an-dRakotomalala Marcel. Nangataka fanazavana momba ny hetsika nataon’izy ireo ny teo anivon’ny kaomisiona misahana ny fitsipi-pifehezana. Tsy mbola nivoaka ny sazin’ireo filohan’ny ligy dimy mpanohitra an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Saingy mbola hodinihin’ny kaomisiona misahana ny fitsipi-pifehezan’ny fanatanjahantena ny […]
Andohatany Fianarantsoa: lehilahy hita faty tsy nisy taova intsony
Nahitana fatin-dehilahy tao amin’ny fokontany Mahaditra-Andohatany, faritra Matsiatra ambony, afakomaly. Tsy nisy hoditra, taova ary filahiana intsony ilay maty. Karan-doha sisa tavela teny aminy. Hatramin’izao, tsy mbola voafaritra mazava ny anton’ity tranga ity saingy anatin’ny famotorana tanteraka ny mpitandro filaminana. “Tena nisy ity tranga ity fa ny nahatonga azy no […]
Tsenan’Ankazobe : dahalo telo maty voatifitry ny miaramila
Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny miaramila ZDS Ikopa, tao Ankazobe, afakomaly. Maty rotiky ny bala ny dahalo telo lahy nandritra ny fifandonana. Araka ny fampitam-baovao voaray, nandritra ny fisafoana fanao mahazatra nataon’ireo miaramila no nahatrarana ireto dahalo ireto. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny […]
Fandriampahalemana an-dranomasina : hanome traikefa ny Tafika malagasy ny Tafika indiana
Nitsidika ny tobi-pamaharan’ny Tafika an-dranomasina Antsiranana (BANA) ny masoivohon’ny firenena indianina miasa sy monina eto Madagasikara, Bandaru Wilsonbabu niaraka tamin’ny delegasiona notarihiny, ny talata 28 febroary 2023. Nandray ny delegasiona ny kaomandin’ny BANA, ny capitaine de vaisseau Ramorasata Dimbiharivony Gislain, notronin’ny kaomandin’ny ZDS Ankarana, ny Jly Montrouge John Fitzgerald. Voaresaka […]




