Ho betsaka ny rotsak’orana amin’ny faritra sy distrika maro eto Madagasikara manomboka ny zoma izao. Vinavinaina hatramin’ny alatsinainy hoavy izao izany, araka ny fampitam-baovaon’ny sampana foibe mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mety hiteraka fiakaran’ny rano miandrona sy ny renirano izany. Nahazo fampitandremana ny faritra maro eto amin’ ny Nosy manoloana […]
Mois : mars 2023
Masoivohon’i Rosia: mikendry ny fandriampahalemana any Ukraine
Manoloana ny ady any Ukraine. Mitandro ny hisian’ny filaminana maharitra any an-toerana ny masoivoho Rosianina eto Madagasikara. Mba hitandroana ny fandrianam-pirenena sy ny fandriampahalemana. Nandray fanapahan-kevitra ny masoivoho rosianina eto Madagasikara mikasika ny ady any Ukraine, omaly. Fa manohana ny hisian’ny fandriampahalemana feno sy marina ary maharitra any an-toerana izy […]
Minisiteran’ny FahasalamaNA : misy lamina ny momba ireo mpiasan’ny CTC
Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny avy eo anivon’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Nanambara fa mijoro ho raiamandreny ary miantso fitoniana izy ireo, manoloana ny fitakiana nataon’ireo mpiasa teo anivon’ny CTC teny Ambohidahy, afakomaly. “Efa niasa foana ireo mpiasa nitokona ireo ary efa nahazo ny “poste budgétaire” avy amin’ny fitondram-panjakana”, hoy […]
Tsy mbola nahazo karama roa volana : manaitra ny tomponandraikitra ny mpiasan’ ny Cnapmad
Manao hetsika fanairana ny tomponandraikitra mitantana ny Cnapmad sy ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ny mpiasan’ny Cnapmad fa tsy mbola nisitraka ny karama roa volana janoary sy febroary hatramin’ny omaly. Miverina matetika loatra ny fahatapahan’ny karama ka mangataka fanatanterahana ny fampanantenan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, telo taona lasa, izy ireo amin’ny handraisana mpiasa […]
Paylp Alumni All-Star : Malagasy roa lahy hiofana any Etazonia
I Fenomanantsoa Mandresy sy i Makavelo José, teratany malagasy roa voafantina hisitraka ny fandaharanasam-piofanana momba ny fahaiza-mitarika hatao any Etazonia na ny “Paylp Alumni All-Star”. Ny Paylp dia fandaharanasa tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ary tantanin’ny Meridian International Center. Mampifandray tanora avy amin’ny firenena 36 aty […]




