Mois : mars 2023

Atsimo Andrefana : mankato ny hisokafan’ny Base Toliara ny Antandroy

Mihamitombo sady mihamafy ny fitakian’ny mponina ny hanokafan’ny fanjakana ny orinasa Base Toliara. Anisan’izany ny foko Antandroy, maro an’isa any amin’ny toerana hisian’ny tetikasa, mivondrona ao anatin’ny Fikambanana terak’Androy (Fitea), tafavory marobe tany Andaboly. Eo am-piandrasana ny fampandrosoana ny fa­ritra Atsimo Andrefana ny mponina any Toliara. Toerana manana harena voajanahary […]

Ambatondrazaka-Amparafaravola : mihatra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina

Voarara ny fivezivezena manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina ao amin’ny distrikan’ Ambatondrazaka sy Ampara­faravola. Io ny didy navoa­kan’ny préfet Ambatondra­zaka. Nihatra nanomboka ny talata teo ny tsy fivezivezena amin’ny alina ao an-toerana. Voa­sazy, araka izany, ireo rehetra minia mandika ny lalàna napetraka. Hatramin’ny ora nanoratanay […]

Samy minday ny ainy !

Tena mampiteny ny moana ! Tsy mitsahatra miakatra ny vidim-piainana. Saika isan’andro no miovaova ny sora-bola amin’ny vidin’entana miranty eny an-tsenakely rehetra eny. Tsy hay lazaina ny vidim-bary, ny vidin’ny kojakoja ilaina andavanandro. Azo lazaina fa mizaka ny tsy eran’ny aina tokoa ny vahoaka malagasy. Mihinan’ny tsy fihinana ara-bakiteny. Miova […]

Kariera Andilana Avaratra: hidina an-dalambe indray ny fokonolona

Misokatra indray ny kariera Béryl, ao Andilana Avaratra, distrikan’Amparafaravola. Tsipahin’ny fokonolona izany ka manambana hidina an-dalambe indray izy ireo anio. Araka ny loharanom-baovao iray, taorian’ny fivorian’ny fokonolona omaly, hidina an-dalambe, hanotrona ireo namany nampanantsoina eo anivon’ny mpitandro filaminana Ambohivory, momba ny raharaha kariera Béryl Andilana Avaratra ny fokonolona, anio. “Misy […]